Mahatratra 8 651,19 miliara Ar ny famatsiam-bola ilain’ i Madagasikara ho an’ny taona 2026, araka ny drafitra isan-taonan’ny famatsiam-bola (Paf). Mbola miankina amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena ny 52,9% ny filàna, izany hoe, ny 5 839,35 miliara Ar, raha 32,5% monja no avy amin’ny loharanon-karena anatiny. « Fotoana izao hanamafisana ny fampiasam-bola anatiny hampihenana […]
Toe-karena
Jirama : Nosamborina ny filohan’ny sendikà SMJ
Nosamborin’ny polisy, omaly hariva, ny filohan’ny Sendikàn’ny mpiasa Jirama (SMJ), Ratovomanarivo Anmora. Tsiahivina, fa nisy ny fianihana andrinjiro, nanapaka ny famatsian-jiro amin’ny masoivoho maromaro teto Antananarivo, ny talata teo. Naneho hevitra, omaly, ny sendikà maromaro (Sat-Ji, Semm, Sekrima, Usam, Fisemare) ao amin’ny Jirama. Melohin’izy ireo ny fandraisana fepetra an-kerisetra sy […]
Orinasa Star : Tohodrano manondraka velaran-tany 350 ha ao Tsiafajavona
Mampiseho ny fandraisany andraikitra eo anivon’ny fiarahamonina (RSE) ny orinasa Star. Nohamafisiny ny toerany amin’ny maha lohalaharana azy amin’ny sehatry ny indostria sy ny fananganana fotodrafitrasa ho an’ny mponina. Anisan’izany ny zava-bita any amin’ny kaominina Tsiafajavona, distrika Ambatolampy, faritra Vakinankaratra, ahitana mponina maherin’ny 23 000. Nasehony fa mifameno tsara ny fivoarana […]
VAOVAO TAMBATRA
Haharitra 90 andro ny fanadihadiana momba ny kaontim-bola ao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola. Tanjona ny hijerena manontolo ny tsy fahatomombanana sy ny lesoka amin’ny fitantanana ny volam-panjakana. Hanatanteraka ny fanadihadiana ny Fitsarana momba ny kaonty sy ny Fitsirihana ankapoben’ny fanjakana (IGE), izay hatao ao anatin’ny mangarahara. Tsy nahitana […]
Fampandrosoana ny toekarena : Hifanome tanana ny fanjakana sy ny tsy miankina
Fifanakalozana. Niompana tamin’ny fanorenana ny toekarena ny dinika andiany fahavalo ho an’ny fifanakalozan-kevitry ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina (8ème table ronde économique) niarahana tamin’ny Vondrona eoropeanina (UE), omaly, tetsy Ambodivona. Hirafimbona ny roa tonta hanatsara ny rafi-pamokarana eto amintsika izay mbola ambany; satria ampahadimin’ny salanisa ankapobeny eto amin’ny […]




