Toe-karena

Faritra Sofia: Manan-danja amin’ny tsenan’ny karbôna ny ala honko

Havokavoky ny karazan-javamananaina eto Madagasikara ny faritra Sofia. Resy lahatra ny talem-paritry ny Tontolo iainana (Dredd) any an-toerana, ny Dr Manantsoa Clermond, fa tombontsoa maro no ateraky ny fiarovana azy ireny, toy ny ala honko. Manan-karena amin’ny lafiny tontolo iainana ny faritra Sofia. Faharoa, midadasika indrindra, aorian’Atsimo Andrefana. Mahatratra 450 […]

Famokarana tongolo: Ividianana fitaovana ny tombom-barotra

Mananosarotra ny fitadiavana famatsiam-bola ho an’ireo mpamokatra tongolo enti-mampiroborobo ny famokarana. Sakana ny fahazoana fampitaovana hanatsarana ny fihariana, voatery atao sorona ny tombom-barotra ahafahana misitraka fitaovana sy fotodrafitrasa. Mazàna, sakana ho an’ny fampiroboroboana ny famokarana ny olan’ny famatsiam-bola sy ny fitaovana enti-miasa. « Ho an’ny mpisehatra amin’ny tongolo dia voatery ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 63 567 ireo mpizahatany tonga teto Madagasikara nandritra ny telo volana voalohan’ny taona 2025. Tafakatra 780 626 430,4 tapitrisa dolara na koa 3 548 598 190 414,5 Ar ny vola azo avy amin’ny ity sehatra ity nandritra ny taona 2024, izay nandraisana mpizahatany mitotaly 316 873. Mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy miteraka asa ny fizahantany. […]

SIGNRF – Fitantanana : Manamora ny fandoavam-bolam-panajakana

Dingana vaovao ao anatin’ny politikam-pitantanana ny volam-panjakana ny fampiasana ny niomerika sy ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina. Nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny zoma teo, teny amin’ny Novotel, ny fitaovana ahafahan’ny olon-tsotra mandoa ireo vola tokony ho aloany eny anivon’ny biraom-panjakana ankoatra ny hetra. « Système d’information de gestion des recettes […]

Brickaville: Ravan’ny zandary ireo mpamotika ala

Saron’ny zandary ny herinandro teo, ireo jiolahy mpamotika ny ala arovana ao Andavakomena, kaominina ambanivohitra Andevoranto, distrika Bricakaville. Maro ireo mitaraina noho ny afitson’ireto tsy mataho-tody ireto, antony nandraisana ny fepetra. Nody ventiny ny rano natsakaina ka nahafahana nisambotra ireo olon-dratsy mpanimba ny harem-pirenena, iray lakambe. Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa […]