Haharitra 24 volana ny fanamboarana ny tetikasa Flyover eny Anosizato entina hamahana ny olan’ny fifamoivoizana sy ny fitohanana eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny fanamboarana ny tetikasa Flyover eny Anosizato. Hetsika notarihin’ny ny Filohan’ny fanavaozana, ny Kolonely Randrianirina Michaël. Haharitra 24 volana ny tetikasa entina […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Seha-pihariana manana ny lanjany amin’ny fampivoarana ny toekarena ny Sakarivo. Maro ny tantsaha mivelona amin’ity vokatra ity ao Beforona. Antony mahatonga ny fanjakana manohana ireo mpisehatra amin’ny Sakarivo biolojika. Nisy ny fampiofanana nomena ireo mpamboly hanatsana ny tany sy ny masomboly hampivoarana ny seha-pihariany ho an’ny tombontsoan’ny toekarena. Hisitraka Valan’ny […]
Pnud -Medd : Mitondra fampandrosoana ny ranomasina madio
Natomboka tany Toliara, tamin’ny fomba ofisialy, ny tetikasa «Ranomasina madio sy salama». Mitentina 11 626 605 dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (GEF), tohanan’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud). Manatanteraka azy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Tanjona ny hanatsarana […]
Fiarovana ny mpanjifa: Vary 629 gony nogiazana
Hentitra ny ekipan’ny talem-paritry ny Varotra sy ny fanjifana (DRCC) Analamanga taorian’ny fitarainana voarainy mahakasika ireo vary simba naverina tao anaty gony ka nozairina. Nidina teny Ankadindravola avy hatrany ireo mpanara-maso avy ao amin’ny minisitera MinCC rehefa nahita vaovao niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy momba ny zava-nisy. Nitohy tamin’ny fakana singa […]
Jeritodiky ny isaky ny enim-bolana: Miantso ny fiaraha-mientan’ny mpisehatra ny Praiminisitra
Naverin’ny fanjakana ny tombana isaky ny enim-bolana amin’ny fanatanterahana ny tetibolam-panjakana mba hanafainganana ny fanatanterahana ireo tetikasa sy hamahana ireo sakana. Kendrena ny hanamafisana ny fanaraha-maso ny asa mba hahazoana vokatra mivaingana ho an’ny fampandrosoana. Miantso ny fiaraha-mientan’ny mpisehatra samihafa ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, mba hiasa amim-pahitsiana sy amim-pahamarinana, hiady […]




