Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 30 ny fiarabe mpitatitra manokana mankeny amin’ny toby Amoronakona. Mitatitra ny mpandeha any amin’ny tanàna manodidina an’Antananarivo, toy ny Itaosy, Ambohidratrimo, Ivato, … ireo fiara ireo, amin’ny saran-dalana tokana, 2 000 Ar. Saingy, mandritra ny iray volana ihany izy ireo no miasa. Hametrahana toerana fakana aina eny amin’ny lalam-pirenena sasany. […]

ACM : Nampiditra mpiasa tafahoatra teo aloha

Anisan’ny antony hanadihadian’ny Bianco ireo mpiasa sasany ao amin’ny Anto­kon­draharaha misahana ny fitaterana ana habakabaka sivily (ACM) ny lafiny fampidirana mpiasa. Raha ny fanazavan’ny minisitry ny Fitaterana (MTM), Andrianavalona Heri­zo, tao amin’ny televiziona tsy miankina iray, manodidina ny 150 ny isan’ny mpiasa tao amin’ny ACM hatramin’izay. Nampiditra mpiasa vaovao efa […]

Ady amin’ny valala: Ampiasaina ny niomerika

Niofana nandritra ny 3 andro ireo lehiben’ny tobim-paritra famonoana valala ao amin’ny Ivontoerana Famonoana valala eto Madagasikara (IFVM). Notanterahina tany Mitsinjo Betanimena, Toliara, izany. Tanjona ny hanamafisana sy hampitomboana ny traikefan’izy ireo sy hahazoana fahalalana bebe kokoa, manampy ny efa ananany. Hampita sy hizara ny fahalalana norantoviny amin’ireo ekipa teknika […]

Atsimo Andrefana : Nizarana jiro ny tokantrano miisa 70 000

Nizarana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny mponina any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Mazava » izany. Faritra midadasika indrindra eto Madagasikara ny ao Atsimo Andrefana. Ambany dia ambany ihany ny tahan’ny fisitrahan’ny mponina sy ny tokantrano herinaratra. Izay no anisan’ny antony nanaovana ny tetikasa “Ma­zava”. Natomboka tany […]

VAOVAO TAMBATRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny ampahan-dalana natao « béton » ao Sanfil Toliara. Amin’ny lalam-pirenena fahafito ity lalana ity, mirefy 800 m. Ny 50% ny asa no efa vita, ankehitriny, ka efa misokatra amin’ny ampahany ny fifamoivoizana, rehefa nahafeno ny fe-potoana ilaina hahamafy ny simenitra amin’ny « béton ». Tafiditra ao anatin’ny asa atao […]