Fampiroboroboana ny mangarahara, tanjona apetraky Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy (Fivmpama) amin’ireo soso-kevitra fito entina hisorohana ny fifanoheran’ny tombontsoa sy hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana. Nisy ny atrikasa nokarakarain’ny Komity ho fiarovana ny fahitsiana (CSI), izay nandraisan’ny filohan’ny Fivmpama, Rabetsivoh Claudia, fitenenana. Anisan’ireo sosokevitra naroso ny fametrahana sehatra niomerika mangarahara momba ny tsenam-panjakana, […]
Toe-karena
Letisia: Avy eto amintsika ny 35% ny vokatra aondrana
Lohalaharana maneran-tany amin’ny fanondranana letisia i Madagasikara. Manodidina ny ampahatelon’ny letisia amidy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena no avy eto amin’ny Nosy. Nisokatra tao Toamasina, ny 23 septambra, ny Dinika nasionaly momba ny letisia, nokarakarain’ny Vondron’ireo mpanondrana letisia (GEL), niaraka tamin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana. Nandray anjara tamin’izany ireo mpamboly, […]
GCAM 2026: Fivezivezena mora mihetsika
Mizara roa! Nanomboka ny 25, hitohy ny 26 ary 27 septambra ny hetsika Salon de l’auto Madagasikara eny amin’ ny CCI Ivato. Mampiavaka ity andiany faha-15 ity ny fitohizan’ny hetsika fanindroany indray, ny 1, 2, 3 ary 4 oktobra, eny an-toerana ihany. Mikarakara azy ny Vondron’ny mpanafatra fiara avy any […]
Fanafarana solika : Hisy antso vaovao ho an’ny enim-bolana voalohan’ny taona 2027
Havaozina ny antso ho an’ny fanafarana solika eto Madagasikara, manomboka ny 1 janoary 2027 hatramin’ny 30 jona 2027. Hisokatra ny alatsinainy 28 septambra 2026 hatramin’ny alatsinainy 5 oktobra 2026 ny antso (Appel à manifestation d’intérêt). “Hisy fanovana lehibe amin’ny fomba fanatanterahana ny appel d’offres, amin’ny fanafarana solika avy any ivelany”, […]
Faritr’Itasy : Taribin-jiro 600 m nisy nangalatra
Mirongatra ny halatra taribin-jiro any amin’ny lalam-pirenena voalohany, indrindra any amin’ny faritra Itasy. Tamin’ny alin’ny alatsinainy 14 septambra teo, nahatratra 600 m ny taribin-jiro nisy nangalatra tamin’ny zotra «triphasée» eny Soamahamanina. Niteraka fahatapahan’ny famatsiana herinaratra maro izany, nanomboka teo Soamahamanina, Mandiavato, Miarinarivo, Manazary, Ambatomanjaka, Analavory, Ampefy, Mananasy hatrany Soavinandriana. Nametraka […]





