Toe-karena

Base Toliara : Manomboka ny famindrana fasana

Miverina ny fananganana ny fasan’ireo tompon-tany any amin’ny fokontany Tsiafanoka sy Beravy Antsoity, kaominina Tsianisiha, distrika Toliara II. Niato mantsy ny asa satria nihantona ny tetikasa Base Toliara nandritra ny 5 taona, saingy efa miverina amin’ny laoniny izany, ankehitriny. Mihazakazaka ny asa. No­fanin’ny tetikasa Base amin’ny fananganana rafi-trano sy ny […]

Fahaleovantenan’ny vehivavy: Hiara-kiasa ny CCIFM, GFEM ary ny WLM

Fifanaraham-piaraha-miasa telo sosona no vita sonia ny 16 mey, teny amin’ny Phare Ivandry, eo amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria France-Madagascar (CCIFM) sy ny Vondron’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM) ary ny ONG Women Lead Movement Madagascar (WLM). Kendrena ny hampiroboroboana ny miralenta, eo amin’ny lahy sy ny vavy, famerenana […]

Tapany avaratry ny Nosy : Miaro ny ala honko ny faritra sy ny kaominina

Miisa dimy ny faritra (Sofia, Diana, Sava, Analanjirofo ary Boeny) ao anatin’ny Vovonana fitantanana ny Faritra arovana (PFGap) Avarabe Lovainjafy. Anisan’ny sahanin’izy ireo ny fiarovana ny ala honko sy ny rohivoahary any an-toerana. Nohazavain’ny Talen’ny fotodrafitrasa sy ny fampandrosoana (DID) faritra Sofia, sady filoha lefitry ny PFGap Avarabe Lovainjafy, Fidèle […]

VAOVAO TAMBATRA

Mahatratra 6 ora isan’andro ny fahatapahan-jiro eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, amin’izao fotoana. Miteraka fahasorenan’ny mpanjifa ny zava-misy na eo aza ny fanazavana ataon’ny orinasa Jirama. Miantraika amin’ny famatsian-drano ny tsy fisian’ny herinaratra. Mitandahatra maro eny amin’ny paompy ny daba mavo miandry ny fiverenan’ny rano hampiasaina ao an-tokantrano, mikorontana ny […]

65 taona fahaleovantena: Labiera vaovao mandritra ny 2 volana ihany

Mandray anjara amin’ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantena ny orinasa Star. Nambaran-dRakotonarivo Miora, tomponandraikitry ny marika ao amin’ny orinasa, omaly, fa manolotra vokatra vaovao, « THB Indépendance, labieran’ny Fahaleovantena », izy ireo hanamarihana izany. Labiera vaovao, manana tsiro sy loko vaovao matroka (ambrée) miohatra amin’ny mahazatra. Ambony kokoa ny heriny, 6,5% […]