Toe-karena

Tao anatin’ny herintaona : distrika 40 mahery nisitraka ny tetikasa ODOF

Nanome asa sy nampidi-bola ho an’ny tantsaha mpamokatra ny taninketsa indostrialy isaky ny distrika. Hotohizana ny tetikasa hoentina hampiroborobo ny famokarana anatiny. Fampiroboroboana ny indostria eny ifotony. Io ny tanjona napetraky ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fam­piroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana tamin’ny alalan’ny tetikasa One district one factory […]

CNUCC : mamparefo ny Andrimpanjakana ny kolikoly

20 taona aty aorian’ny fivoriamben’ny firenena mikambana miady amin’ny kolikoly (CNUCC), mitohy ny famongorana izany ho an’i Madagasikara. Singa iray mampitarazoka sy mamparefo ny Andrimpanjakana ny fisian’ny kolikoly anatin’ny firenena iray ary voakasik’izany i Madagasikara. Raha ny voka-panadihadiana navoakan’ny eo anivonn’ny ONG Traffic, nananika ny 21 000 ny isan’ny sokatra tratra nokasaina haondrana, ny […]

Ankadinondry Sakay sy Analavory: Nahazo milina mpamokatra mena-boanjo

Hamokatra mena-boanjo 5000 litatra isam-bolana ny taninketsa indostrialy nape­traka ao Ankadinondry Sakay, raha toa 2000 litatra izany nandritra ny andrana natao. Vonona hiara-hiasa amin’ny fitondram-panjakana ny ben’ ny Tanàna ao an-toerana raha nilaza kosa ny solombavambahoaka voafidy tao Fenoa­rivobe, Randrianarisoa Bien Aimé Arsène, nandritra ny fametrahana ny taninketsa indostrialy, ny […]

Credit fety 24h: hampidram-bola hatrany amin’ny 50 tapitrisa Ar ny BNI

Mitohy hatrany ny tolotra ataon’ny BNI Madagascar hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa amin’izao ankatoky ny fety izao. Misy ny tolotra Credit fety 24H izay hahazoana fampidramam-bola hatramin’ny 50 tapitrisa Ar, hampifalifaliana ny ankohonana amin’izao fotoana izao. Nanomboka ny 6 desambra ka hatramin’ny 4 febroary izao ny fahazoana izany ary azo averina […]