Toe-karena

Cacao malagasy : Misandratra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena

Tsara toerana amin’ny kalitao maneran-tany ny cacao malagasy. Nosokajian’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny cacao (ICCO) ho 100% manana tsiro sy hanitra miavaka izy ary manan-danja eo amin’ny sehatry ny fanondranana. Vita sonia, omaly, tetsy Antaninarenina ny fifanarahana stratejika iraisam-pirenena momba ity vokatra ity. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa sy hampiroboroboana […]

Pr Ratsimbazafy Jonah : Notolorana « Grand Officier de l’Ordre National »

Tsapan’ny fanjakana ny zava-bitan’ireo oloben’ny tontolo iainana eto amintsika. Izany no nahatonga ny teratany malagasy, Pr Ratsimbazafy Jonah sy ny teratany vahiny roa notolorana mariboninahi-pirenena, omaly. Rariny sy hitsiny raha omena lanja ny olona sy mpisehatra nahavita ezaka lehibe ho an’ny fire­nena. Notontosaina omaly, teny amin’ny Lapan-panja­kana Ia­voloha, ny lanonana […]

Hetsika Rohy : “Mila adihevitra ny firotsahan’ny mpitondra”

“Anisan’ny tokony hitondrana adihevitra ao anatin’ny fikaonandoham-pirenena ny fiatrehan’ny mpitondra anke­hitriny ny hoavy: anisan’ireo hirotsa-kofidina, ho mpilalao amin’ny fifidianana ve izy sa anisan’ireo mpanomana ny sehatra mba hahazoan’ny rehetra mirotsaka ao anatina fifidianana madio sy mangarahara ?” Io ny fanehoan-kevitry ny mpandrindra teknika ny hetsika Rohy, Andriamo­ra­niaina Harijaona, teny Amba­tonakanga, omaly, […]

VAOVAO TAMBATRA

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana ny biby eto Madagasikara ireo lalantsara mampitohy ny ala. Ahafahan’izy ireo mifindra, mitady sakafo ary miteraka izany. Anisan’izany ny Comatsa any avaratra sy Amoron’i Onilahy, any Atsimo-Andrefana. Dinihina mandritra ny Cop17-UNCCD, any Mongolia ihany koa, ny fanarenana ny tany sy ny fiarovana ireo toeram-ponenana […]

Fanamboaran-dalana : Nohamafisina ny fiaraha-miasa amin’ i Egypte

Anisan’ny miara-miasa amin’i Madagasikara, amin’ny lafiny fanamboarana fotodrafitrasa i Egypte. Hita izany amin’ny fanamboarana ny lalana «Voie rapide», mampitohy an’Antananarivo sy Toama­sina, ataon’ny orinasa Sam­crete. Ho fanamafisana izany, natao Sonia, ny 25 aogositra teo, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) sy ny kaompania Egaad (Egyptian African Arab […]