Toe-karena

Tetikasa 2024: hampifandanjana ny vola miditra sy mivoaka

Nampahafantarina omaly, teny anivon’ny Antenimieram­pirenena ny volavolan-dalàna momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana ho amin’ny taona (PLFR) 2024. « Somary narisarisa ny fandoavan-ketra ka tsy tratra ny vina tamin’ity ta­pany voalohany amin’ity taona 2024 ity », hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Natao, hoy izy, izao […]

Faritra Menabe : mitotongana ny vidim-boanjo

Velon-taraina ny tantsaha mpamokatra voanjo amin’ny ta­nànan’Ampanihy, distrika Menabe. Mitotongana ny vidin’ny voanjo noho ny tsy fisian’ny orinasa mpanodim-bokatra. Anke­hitriny, nidina ho 1 500Ar ny kilaon’ny vokatra raha toa ka 2 300Ar izany tamin’ny taon-dasa. « Betsaka ny orana tamin’ity taona ity izay anisan’ny nampitombo ny vokatra saingy nandiso fanantenana ny mpamokatra ny […]

Emirates : hisokatra ny zotra mankany Dubaï

Kaompania anisan’ny matanjaka indrindra maneran-tany ny Emirates. Hampitombo ny mpandeha sy ny mpizahatany ny fahatongavany aty Madagasikara. Hiampy indray ny fitaterana ana habakabaka. Hi­sokatra amin’ny 3 septambra 2024 ho avy izao, ny zotra fiaramanidina mampitohy an’Antananarivo sy Dubaï, mandalo an’i Mahé Seychelles. Miantoka ny fitaterana ny kaompania Emirates. Nilaza ny […]

Fanafody Aflasafe: fanefitra amin’ny aretin’ny voamaina

Fahita amin’ny voamaina, toy ny katsaka, ny voanjo, na voamaina hafa, ny endrika bobongolo. Araka ny fanadihadiana nataon’ny teknisiana, aretina miendrika holatra, antsoina hoe «aflatoxine» ireny hita ireny. Hita ny vahaolana hiadiana aminy, ny fanafody «Aflasafe». Manoloana izany, nisy ny atrikasa hitadiavana ny vahaolana hiadiana amin’ity valanaretina ity. Tanteraka izany, […]

Faritra Sava : manomboka anio ny JIR faha-9

Tontosaina ao amin’ny faritra Sava, manomboka androany ka hatramin’ny alahady izao, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra (Journée internationale des Régions) andiany fahasivy. Hetsika ara-toekarena entina hampiroboroboana ny tontolon’ny fandraharahana, ny famokarana ary ny fihariana any amin’ny faritra. Lohahe­vitry ny fankalazana amin’ity ny hoe « Faritra Sava, manana otrikarena manan-danja: […]