Misokatra hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny Madagascar Airlines. Nanambara ity orinasam-pitaterana ana habakabaka ity fa tafiditra ao amin’ny rafitra “Global Distribution System” (GDS) Galileo an’ny Travelport ny tolotra omeny ny mpanjifa. Fitaovana ampiasain’ny Agence de voyage maneran-tany amin’ny famandrihana sidina, trano fandraisam-bahiny, fiara hofaina ary tolotra fitsangantsanganana hafa ny Galileo. […]
Toe-karena
Sendikan’ny Jirama : Mitaky ny fialan’ny Tale jeneraly
Araka ny vaovao niparitaka tao anaty tambajotran-tserasera, omaly, mikasa hanao fitokonana faobe, anio, etsy Ambohijatovo, ny eo anivon’ny orinasa Jirama. Ny sendikan’ny mpiasan’ny Jirama sasany no hitarika izany eny an-toerana. Mbola mipetraka ho votoatin’ny fitakian’izy ireo ny fanalana ny tale jeneralin’ity orinasa ity, i Ron Weiss, ary milaza izy ireo […]
Fampiasana ny Internet : Miantso ny hijerena ny sarany ny Artec
Manao antso avo hijeren’ireo orinasam-pifandraisan-davitra ny saran’ny fampiasana ny internet eto amintsika ny Artec. Velon-taraina mahakasika ny tolotra ny mpanjifa. Nandray andraikitra manoloana ny fitarainan’ny mpanjifa mahakasika ny saran’ny internet eto Madagasikara ny Autorité de régulation des technologies de communication (Artec). Araka izany, miantso ireo orinasam-pifandraisan-davitra hijery akaiky sy hanitsy […]
Vaovao tambatra
Tsy mbola mivaha ny olan’ny sehatry ny lavanila eto amintsika. Misy ny mpandraharaha sasany milaza fa tokony halalahana ny tsena ary tsy ferana ny isan’ny mpandraharaha te hanondrana any ivelany. Misy kosa anefa ny mitsipaka an’izany, satria tsy mahavaha ny olana ny fanalalahana azy. Anisan’ny mampitotongana ny vidiny koa anefa, […]
Famatsian-drano: Kojakojaina ny milina eny Mandroseza
Atao anio 23 oktobra ny asa fikojakojana ny milina «décanteur Pulsator 1» eny amin’ny toby famatsian-drano Mandroseza I. Tsy maintsy atao izany, hampaharitra ny fotodrafitrasa, miantoka ny fenitra amin’ny fanadiovan-drano ary indrindra ahafahana mampitombo ny famatsiana eto Antananarivo sy ny manodidina. Maharitra adiny 8 ny fanatanterahana ny asa. Manoloana izany, […]




