Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Vao maika tafakatra 7 500 Ar ny kilaon’ny tongolobe, eny amin’ny tsenan’i Mahazo eto Antana­narivo. Tsy tena vaventy aza ny habeny, fa salantsalany. Nambaran’ny mpivarotra fa ny mpamongady mihi­tsy no mivarotra lafo, ary ailik’izy ireo any amin’ny mpanangom-bokatra indray izany. Nilaza ireto farany, fa midangana ny saran-dalana satria ratsy ny […]

Fiarovana ny tontolo iainana : handramana ny fiara elektrika

Nahazo fanampiana ara-bola, mitentina 1 142 661 do­lara, avy amin’ny Tahirim­bola iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana (FEM) i Mada­gasikara. Hampiasana azy ny tetikasa « Tohana entina hi­ampitan’i Madagasikara any amin’ny fitaterana elektrika ». Maharitra 4 taona ity tetikasa tohanan’ny FEM ara-bola ity. Hatao eto Antanana­rivo sy Toamasina ny tetikasa andrana. Ao anatin’izany […]

fampandrosoana ny Toekarena: lesoka ny fanaovana gaboraraka ny fanjonoana nentim-paharazana

Antoka ho an’ny fampandrosoana ny toekarena ny fandrindrana maharitra ny fanjonoana sy ny famantarana ny antontanisan’ireo manao ny fanjonoana nentim-paharazana eto Madagasikara. Misehatra amin’ny fanjonoana nentim-paharazana avokoa ny 80% ny mpanjono eto amintsika. Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny sehatry ny toekarena ity seha-pihariana ity noho izy miantoka ny fidiram-bolan’ny […]

Zavamaniry : avy amin’ny tantely ny famindrana ny vovobony

Ankalazaina isaky ny 20 mey ny Andro maneran-tany ho an’ny tantely, mifantoka amin’ny hoe « harena sy namana ny tantely ». Loha­hevitra noraisina tamin’ity taona 2024 ity ny hoe, « Ivon’ny fameloman’aina ny toekarena ny tantely, sady manavotra ny tontolo mananaina ». Nikarakara atrikasa, omaly, ny Tranoben’ny mpisehatra amin’ny tantely eto Madagasikara (MAM), ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitentina 25 008,8 miliara Ar ny famatsiam-bola ilain’i Madagasikara, araka ny paikady momba ny fitantanana ny trosa ho an’ny taona 2024-2026. Mitentina 6 065 miliara Ar kosa izany ho an’ny taona 2024 ary 9 319,4 miliara Ar sy 9 633,4 miliara Ar avy ho an’ny taona 2025 sy 2026. Mahatratra […]