Toe-karena

Royal Enfield : nivoaka ny modely « Shotgun 650 »

Kodiaran-droa! Tonga eto Madagasikara ny modely vaovao amin’ireo moto « Shotgun 650 » ny Royal Enfield, CT Motors. Mafy sy matanjaka ny moterany satria mahatratra hatrany amin’ny 650m3 izay mitovy amin’ireo moto hafa. Miavaka tanteraka anefa ny « Shotgun 650 » noho izy « custom » sy « roadster » mitambatra. Noho izany, sahaza ny lalana rehetra ity […]

Fandraharahana : Start-Up valo misitraka famatsiam-bola hatramin’ny 5 000 dolara

Hisitraka famatsiam-bola hatrany amin’ny 5 tapitrisa dolara isan’olona ireo mpandraharaha valo mendrika indrindra. Amin’ny alalan’ny tetikasany izay mipaka mivantana amin’ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka ary ny tontolo iainana no nitsarana azy ireo. Miara-dalana ny sehatry ny fandraharahana sy ny tontolo iainana ho an’ny fampandrosoana ny toekarena. Miantoka ny akora fototra […]

Vinaninkarena Antsirabe : napetraka ny Centrale agro-photovoltaïque

Fanambin’ny fitondram-panjakana ny hampiroborobo ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Ankehitriny, tafapetraka ao Vinaninkarena Antsirabe ny tobim-pamokarana mandeha amin’ny herin’ny masoandro, izay hisahana ny 20% ny filàna ao an-toerana. Herinaratra ho an’ny rehetra! Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena ny fampiroboroboana ny fisitrahan’ny tokantrano ny herinaratra sy fampandrosoana ny sehatry ny […]

Famahana ny olan’ny fananan-tany : nizarana karatany ny any Vakinankaratra

Mitohy hatrany ny fizarana karatany faobe manerana ny Nosy, amin’ny alalan’ny fandaharanasan’ny fitondram-panjakana. Manatanteraka izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nahazo izany ireo distrika miisa roa any Vaki­nankaratra, ny 15 mey teo. Miisa telo ireo kaominina nizarana karatany maherin’ny 34 500 ho an’ny distrikan’An­ta­nifotsy. […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 20 895 ny mpizahatany tonga teto Madagasikara, ny volana avrily teo, izany hoe, nahitam-piakarana 12% raha oharina tamin’ny volana avrily, ny taon-dasa, izay 18 657 isa. Manomboka miarina ny sehatry ny fizahantany ary manakaiky ireo antontanisa voaangona ny taona 2019 ireo isan’ny mpizahatany tonga eto amintsika. Nolaniana nandritra ny […]