Toe-karena

Ladoany: Nampahafantarina ny mpianatry ny Oniversite ny IA

Nikarakara famelabelarana ho an’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony, Ankatso, ny sampandraharahan’ny Haban-tseranana malagasy. Niompana tamin’ny hoe « ny lanjan’ny antontam-baovao niomerika sy ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) : ny antoka entiny sy ny ho avy ». Tafiditra ao anatin’ny fanavaozana lalina ny fitantanana ny raharaham-panjakana, amin’ny alalan’ny fivoarana ara-teknolojia izany. Azo tsorina fa […]

Toamasina: Hanodina fako 60 t isan’andro ny Agrotech

Voasafidy, araka ny antso tolobidy natao, hitantana ny Ivontoerana fanavahana sy fanodinana ny fako ao an-tampon-tanànan’i Toamasina, ny orinasa Agrotech. Natao sonia ny 20 aogositra teo ny fifanarahana teo amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) sy orinasa. Mahatratra 60 taonina isan’andro ny fako hahodina ho lasa vokatra […]

Vary safiotra : Mampidi-bola 5 tapitrisa Ar ny tany 1 hekitara

Nizarana masomboly vary safiotra sy zezika ny tantsaha eny Sabotsy Namehana, omaly. Ahazoana vokatra 12 taonina isaky ny hekitara ny velarantany 1 hekitara. Misitraka ny vina sy ny fanamby napetraky ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny tantsaha ao amin’ny kaominina Sabo­tsy Namehana. Natolotry ny Sekreteram-panjakana misahana ny fahaleovantena ara-tsakafo (Sesa), […]

VAOVAO TAMBATRA

Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanambola (MEF), manoloana ny filazana fa misy mandrahona ny mpanao gazety Gaëlle Borgia. Nohazavainy fa tsy mpiasa velively ao amin’ny MEF Rajaonarivelo Philippe tamin’io fotoana nanoratany ny fandrahonana io. Koa, tsy tompon’andraikitra amin’ny teny na fihetsiny ny MEF. Mitohy ny fampiofanana mahakasika ny […]