Toe-karena

Mampiaka-peo ny mponina : Bahanan’ny Craad-OI ny fampandrosoana any Toliara

Tsy miafina intsony! Nambaran’ny mponina any ifotony fa ao ambadik’ireo hetsika manohitra ny tetikasa goavana tokony hitondra fampandrosoana any Toliara ny fikambanana Craad-OI. Araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena, ny febroary 2024 teo, anisan’ny mahantra indrindra eto Madagasikara ny tapany atsimon’ny Nosy. Vahaolana ny hisarihana mpampiasa vola vahiny sy hampiroboroboana […]

Telma : nihena ny saran’ny internet

Anisan’ny firenena tsara tambajotram-pifandraisan-davitra aty Afrika i Madagasikara. Eto amintsika koa no mora indrindra ny saran’ny internet. Nidina ny saran’ny internet atolotry ny Telma, manomboka anio 28 marsa. Tanjona ny hahazoan’ny mpanjifa rehetra mampiasa ny tambajotra na aiza na aiza misy azy araka ny filany avy. Efa marolafy rahateo ny […]

Vaovao tambatra

Hiakatra 0,95 dolara na koa 4 160Ar ny sarany ambany amin’ny tolotra « internet mobile » 1Go manomboka ny 1 aprily. Tsy ara-dalàna intsony ny tolotra amban’io sarany vaovao io aorian’ny daty voatondro tahaka ireo tolotra misy amin’izao fotoana. Mbola latsaky ny 0,95 kosa ny vidin’ny internet mobile eto Madagasikara. […]

Tsenan’Andravoahangy: mizana 21 sy vato mizana maro nogiazana

Hentitra. Vato mizana manodidina ny 50 isa sy mizana 21 tsy ara-dalàna no nogiazana avy hatrany nandritra ny fidinana tampoka nataon’ny tomponandraikitry ny tse­nan’Andravoahangy sy ny solontenan’ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana, ny talata teo. Hetsika izay natao hiarovana ny mpanjifa sy ho fanamarinana ireo fitaovam-pandanjana samihafa. Mbola miparitaka eny […]

Trafika hazo « pachypodium » : teratany malagasy 3 sy sinoa 1 tratra

Sarona ny tambajotra mpanondrana antsokosoko ny zavamaniry jabihy (pachypodium). Any Azia, indrindra any Japana sy Thailandy ny firenena tena mpandray azy. Tratra teny amin’ny seranam-piaramanidina Iva­to, ny karazan-kazo jabihy (pachypodium) miisa 891, ny 5 marsa teo. Teratany malagasy telo sy sinoa no voasambotra tamin’izany, ary notazonina vonjimaika any amin’ny fonjan’i […]