Toe-karena

Tetikasa Fly over Anosizato sy Makis: Mahatratra 83,2 tapitrisa dolara ny famatsiam-bolan’ny Badea

Mpamatsy vola goavana amin’ny fanamboaran-dalana eto amintsika ny banky Badea. Anisan’izany ny tetikasa hanamboarana ny Fly Over Anosizato sy ny Fly Over Makis. Ankoatra ny fanotronana ny Fihaonamben’ny Sadc, eto amintsika ny filohan’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana (Ba­dea), Abdullah Almisaibeeh. Miisa efatra ny tetikasa goavana vatsiany ara-bola. Voakasik’izany ny […]

« Yas et moi » : Tolotra amin’ny alalan’ny teny

Voalohany eto Mada­gasikara sy Afrika! Zava-baovao tanteraka ny tolotra vaovao amin’ny sehatry ny fividianan-javatra amin’ny alalan’ny finday vokarin’ny orinasa Yas. Nivoaka ny « Yas et moi », ampiasaina amin’ny fividianan-javatra na koa karazana tolotra ao anaty finday na filana samihafa, toy ny fihainoana hira, fividianana finday, fanjifana ireo tolotry ny Yas, sns. […]

Tontolo iainana: Faritra arovana 52 hafindra fitantanana

Dingana vaovao! Vita sonia, omaly 19 aogositra, ny famindram-pitantanana ny faritra arovana (AP) miisa 52. Fito taona no niandrasana azy. Nentina anavaozana ny fitantanana ara-tontolo iainana, araka ny lalàna faha-2015-005 io. Taratry ny fahavononana noraisin’i Madagasikara ihany koa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, araka ny kongresy maneran-tany mahakasika ny valanjavaboahary tany […]

Soatiko farm : Hanangana fikambanana ny mpamboly holatra

Seha-pihariana manomboka miroborobo ny fambolena holatra eto amintsika. Vitsy mpahafantatra, na tsy mbola tafiditra ao anatin’ny fanjifan’ny Malagasy, anefa ny vokatra Mikasa ny hanangana vondron’ny mpamboly holatra, amin’ity fa­ram­paran’ny volana aogositra ity, ny Soatiko Farm eny Sabotsy Namehana. Nam­baran’ny tomponandraikitra ao aminy fa vonona hiditra ao anatin’ity vondrona ity daholo […]

VAOVAO TAMBATRA

Sarotra ny mahita fiara fitaterana eny amin’ny toby Makis Andohatapenaka, amin’izao fotoan’ny fialantsasatra izao. Nambaran’ireo mpitantana ny tranohevan’ny kaoperativa, fa efa voafandrika daholo ny toerana hatramin’ny faran’ny volana aogositra izao. Tena voakasik’izany ny mandeha amin’ny lalam-pirenena RN2, RN4, RN7, sns. Tsy mihetsika firy ny fiovaovan’ny sandambola Ariary, miohatra amin’ireo vola […]