Toe-karena

Sakafo biolojika : omen-danja any Alemaina ny vehivavy

Atao any Nuremberg, Alemaina, ny 13 hatramin’ny 16 febroary izao, ny hetsika iraisam- pirenena mikasika ny fambolena sy ny sakafo biolojika Biofach. Mandray anjara amin’izany koa i Madagasikara. Lohahevitra noraisina tamin’ity andiany taona 2024 ity ny hoe : « Sakafo ho an’ny ho avy : fiantraikan’ny rafitra ara-tsakafo maharitra amin’ny vehivavy ». Nasongadin’ny […]

Fandraharahana : hatao amin’ity taona ity ny IHM andiany voalohany

Hotanterahina ny 20 ka hatramin’ny 23 jona izao ny Tsena iraisam-pirenena momba ny asa tanana eto Madagasi­kara, “International Handicraft Fair Madagascar (IHM)” an­diany voalohany, hoy ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Randriamandranto Joël, omaly, teny Tsimbazaza. Hitovy amin’ny hetsika amin’ ny International Tourism Fair Madagascar (ITM) ny IHM, […]

Lalan-dratsy : niverina ny fifamoi­voizana amin’ny RN5

Tapaka omaly 13 febroary maraina, ny lalam-pirenena RN5, PK 97+900, mialoha ny hidirana ny tanànan’Antanam­bao Sahorana, distrika Fenoarivo Atsinanana, faritra Analan­jirofo. Nisy lavakabe niforona teo amin’ny lalana, vokatry ny rotsakorana nisesy. Nandray fepetra avy hatrany ny Fitanta­nana manohana ny asa vonjy taitra (DAU) ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) ka […]

Indostria: niova ho Alpha Ciment S.A ny Cementis Madagascar

Hampihena ny fanafaran’i Madagasikara simenitra ny Alpha Ciment S.A ary hamokatra hatrany amin’ny 1 tapitrisa taonina isan-taona. Manomboka izao, hitondra ny anarana Alpha Ciment S.A ny Cementis Madagascar. Novidin’ny vondrona maorisianina Gamma Civic LTD, miaraka amin’ny mpiara-miasa aminy, Cemendo Gemiland, avy any Indonezia, ity ozinina mpanao simenitra eto Madagasikara ity. […]