Hatao ny 11, 12 ary ny 13 septambra 2025 ho avy izao, eo amin’ny Araben’ny Gara Antsirabe, ny foara «Vitrine de Vakinankaratra». Mikarakara ity andiany faha-27 ity ny Fiova Vakinankaratra, ary anisan’ny mpanohana mivantana ny orinasa Yas. Lohahevitra noraisina ny hoe «Ny fitomboan’ ny orinasa» na «La croissance des entreprises». […]
Toe-karena
Tetikasa ASAM: Hampiroboroboina ny famokarana anaty rano
Hiara-kiasa ny Fitantanam-paritry ny Jono (DRPEB) Matsiatra Ambony sy ny APDRA, ao anatin’ny tetikasa Asam 4F. Manatanteraka azy ny APDRA sy ny GIZ, vatsian’ny Fiaraha-miasa alemà ara-bola. Natao sonia ny 2 septambra teo, tany Fianarantsoa, ny fifanarahana. Haharitra herintaona izany ary hisy ny tombana atao amin’ny fivoaran’ny fandrosoan’ny asa sy […]
GEF6-AMP : Faritra arovana an-dranomasina vaovao 3 mitotaly 1,5 tapitrisa ha
Mitombo hatrany ny Faritra arovana an-dranomasina (AMP) arovana sy tantanina eto Madagasikara. Ho tratra tsy ho ela ny tanjona 2,4 tapitrisa ha natao fanamby tany Sydney. Dingana lehibe! Natao sonia, omaly, ny fifanarahana ho fanitarana sy fananganana Faritra an-dranomasina (AMP) eto Madagasikara, mitotaly 1,5 tapitrisa hekitara, ao anatin’ny tetikasa GEF6-AMP. […]
VAOVAO TAMBATRA
Noho ny fiovaovan’ny toetr’andro ankehitriny, mitady ny fomba rehetra hanalefahana ny mety ho voka-dratsy aterak’izany ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB). Araka izany, notontosaina tao Nosy Be Hell Ville, ny faran’ny herinandro teo, ny atrikasa nanangonana ny paikady hiatrehana izany. Nifarana ny alahady 31 aogositra teo, tao Betsizaraina, […]
fiompiana lalitra: Olona miisa 14 nisitraka fampiofanana
Tontosa tao amin’ny Lycée teknika an’ny distrikan’i Taolagnaro, faritra Anôsy, ny 30 aogositra 2025 lasa teo, ny fiofanana momba ny fiompiana lalitra Hendry na ny « Black Soldier Fly (BSF) ». Mpandray anjara miisa 14 no nisitraka izany tao an-toerana, araka ny fampitam-baovao voaray avy eo anivon’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena […]





