Ambohi-pihaonan’ireo mpandraharaha, Malagasy sy vahiny, ny ranty iraisam-pirenena momba ny mpisehatra ara-toekarena «Salon internationnal des acteurs économiques» (SIAE) andiany fahefatra atao eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny 4 ka hatramin’ny 7 jona izao. Kendrena manokana ny hampifandray ireo firenena avy any ivelany sy ny Nosy malagasy hijerena ireo soa fanararaotra […]
Toe-karena
60 taona ny Mention Economie: Hametraka tsangambato lehibe
Feno 60 taona ny lalam-piofanana Toekarena, eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. “Tsangambato entina hanamarihina izany jobily izany ny fanavaozana sy fampanarahana fenitra ny efitrano lehibe mahazaka olona hatramin’ny 150 isa ao amin’ny Grand Amphi, fakiolite EGS”, araka ny fanazavana nentin’ny mpiandraikitra ny sampam-piofanana, ny Pr Randriamanampisoa Holimalala, omaly, teny Ankatso. Araka izany, […]
“SIW”, andiany fahavalo: Antoka ho an’ny fampandrosoana ny indostria
Tosika ho an’ny orinasa malagasy sy ny famokarana eto an-toerana ny Herinandro ho fampiroboroboana ny indostria eo anivon’ny Sadc (SIW), atao eto Madagasikara. Hojerena manokana ny fiaraha-miasa sy ny fitadiavana lalam-barotra ho fampandrosoana ny toekarena sy ny fifanakalozana ara-barotra. Hotanterahina eny amin’ny Novotel Alarobia, ny 28 jolay hatramin’ny 01 aogositra […]
JME: Zava-doza ny plastika
Vahiny manokana ho an’ny Fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana (AJE) ny mpampianatra mpikaroka amin’ny tontolo iainana, ny Dr Salama Jean Claude. Fotoana nentin’ny fikambanana nanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny Tontolo iainana (JME), ankalazaina isan-taona, isaky ny 5 mey. Lohahevitra amin’ ity taona ity, «Atsahatra ny fandotoan’ny plastika […]
Tetikasa QMM: Manome lanja hatrany ny tontolo iainana
Vaindohan-draharahan’ny fandaharanasan’ny QIT Madagascar Minerals (QMM) ny fikajiana ny tontolo iainana ao anatin’ny asa fitrandrahana ataony. Misy ny fepetra takina sy tokony harahina momba ny « Projet Environmental Management Plan (PGEP)”, talohan’ny fahazoan-dalana azony ny taona 2001. Takina amin’ny kaompania ny hampiharana ny fenitry ny tontolo iainana E16 an’ny Rio Tinto […]




