Nisokatra omaly tamin’ny fomba ofisialy ny taona fambolen-kazo. “Fambolen-kazo manarina ny tontolo iainana sy mamelon’aina no tanjona”, hoy ny filoha Rajoelina Andry. Tontosa teny Imerintsiatosika, omaly, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2024. Niatrika izany ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry mivady niaraka tamin’ny mpikambana eo anivon’ny governemanta sy olo-manankaja maro. […]
Toe-karena
Cenhsoa: hisy ivontoerana ho an’ny zaza
Hanana ivontoerana manokana misahana ny fandidiana fo, sokafana ho an’ny zaza, ny “Centre Hospitalier de Soavinandriana”, Cenhsoa, hanomboka ny volana avrily ho avy izao raha toa ka tsy misy ny fiovana. Hisitraka fitsabona sahaza azy ireo zaza manana aretim-po kanefa sahirana tsy manana fahahafana manao Evasan. “ Tontosa, vokatry ny […]
Fampandrosoana : manan-danja ny harena an-kibon’ny tany
Manamafy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), ao anatin’ny fandaharanasa ho an’ny fampindramam-bola nitarina (Fec), andiany fahefatra, fa hanatsara ny fampidiran-ketra avy amin’ny harena an-kibon’ny tany ny fanavaozana ny lalàna mifehy azy. Ahafahana manao tetikasa maro, hananganana fotodrafitrasa sy tetikasa sosialy maro izany. Hampiakatra ny vola miditra amin’ny fanjakana ny famerenana ny […]
Fampiroboroboana ny indostria : hiara-hiasa ny minisitera sy ny ONUDI
Dingana iray fanoitra amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fampiroboroboana ny indostria. Naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) ny rafitry ny Firenena mikambana misahana ny fampandrosoana ny indostria (ONUDI) amin’ ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ity sehatra ity eto Madagasikara, nandritra ny fihaonan’ny roa […]
Ladoany : hampihena ny fandaniana ny «Smart scanning»
Fiovana lehibe ho an’ny sehatry ny fadintseranana ny tetikasa « Smart scanning ». Fitaovam-pitiliana hampiasana ny teknolojia niomerika, hampihenana ny fotoana sy ny fandaniana ho an’ny mpandraharaha. Natao tany Toamasina, omaly, ny fankakazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fadintseranana (JDI). Anisan’ny nanamarihina izany ny fitokanana ny fitaovam-pitiliana avo lenta ao […]