Nosokafanana tamin’ny alakamisy ny fankalazana ny faha-30 taona ny Paositra Rapida. Vanim-potoana hametrahany ireo fanamby vaovao sy goavana ary tolotra tsara kalitao ho an’ny mpanjifa. «Mivoitra manaraka ny toetrandro ny Paositra Rapida amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia sy ny haitao ara-kajy mirindra hamantaran’ny mpanjifa ny fotoana ahatongavan’ny entany amin’ny sarany […]
Toe-karena
Fifanarahana Bâle: Dinihina ny akora sy ny fako simika
Nisokatra ny 28 avrily teo, ary mifarana anio 9 mey, any Genève Soisa, ny fihaonamben’ny Fifanarahana iraisam-pirenena na « Conférence des Parties » (COP), andiany faha-17, mahakasika ny Fifanarahana Bâle, Rotterdam ary Stockholm (BRS). Lohahevitra dinihina ny « Fitantanana ara-drariny ny akora simika sy ny fako ». Nodinihina ny fiantraikan’ny akora simika sy ny […]
Fampandrosoana : Sarotra ny fitadiavana asa eto Madagasikara
Mananosarotra ny fidirana eo amin’ny tsenan’ny asa ho an’ny Malagasy, tanora sy nahavita fianarana, noho ny tsy fahalalana izany. Vahaolana ny fandraharahana saingy mitaky finiavana manokana. Sakana ho an’ny tanora ny tsy fananana traikefa sy ny tsy fahalalana ny tontolon’ny orinasa. Nivoitra izany nandritra ny fifanakalozan-kevitra « Ndao resahina ny fampandrosoana » […]
VAOVAO TAMBATRA
Miompana amin’ny fanabeazana, ny fambolena, ny fotodrafitrasa, ny fahasalamana sy ny fitantanana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Madagasikara sy ny « Agence française de Développement » (AFD). Ho faritana ny tetiandro sy ny fampianarana ireo fifanarahana. Tanjona ny hampiroboroboana ireo sehatra voalaza etsy ambony ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny firenena […]
Toekarena: 8,4% ny vidim-piainana eto Madagasikara
Tao anatin’ny herintaona (teo anelanelan’ny volana marsa 2024 sy ny volana marsa 2025), nisondrotra 8,4% ny vidim-piainana teto Madagasikara, araka ny fanadihadiana ara-toekarena navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Izany hoe, nahitam-piakarany 1,2% izany tao anatin’ny 12 volana. Anisan’ny nisondrotra 12,7% ny vidim-bary, niakatra 4,5% ihany koa ny sehatry ny angovo. […]




