Toe-karena

“Global money week”: Tompon’andraikitra amin’ny fihariana ny ankizy

Antoka ho an’ny fampandrosoana ny toekarena ny fahaiza-mitantana. Manampy ny ankizy sy ny tanora hanana hoavy mamiratra amin’ny fanabeazana ara-bola ny hetsika Global Money Week (GMW). Fototra iorenan’ny fampandrosoana ny sehatry ny toekarena ny fahaizana mitantam-bola. Ilaina ny fanabeazana sahady ny ankizy sy ny tanora amin’ny fandraharahana ara-bola sy hananany […]

Soavinandriana-Mananasy: ho vita amin’ny volana mey ny lalana 12 km

Ratsy ny lalana mampitohy ny tampon-tanànan’i Soavi­nandriana sy ny kaominina Mananasy, tato anatin’ny 25 taona. Faritra mamokatra nefa ny any Mananasy. Sakana ho an’ny toekarena, araka izany, ny haratsian-dalana. Nandray andraikitra ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, hampiroboroboana ny toekarena, amin’ny alalan’ny tetikasa “Casef”, hanarenana ny lalana Soavinandriana-Mananasy, mirefy 12 […]

Fifamoivoizana : vita ny lalana Fasankarana

Efa nisokatra ho an’ny mpampiasa lalana, nanomboka ny fiandohan’ny volana marsa teo, ny andaniny sy ny ankilany amin’ny lalam-pirenena RNT58, na lalana Rabetafika. Mampitohy an’ Anka­dimbahoaka mandalo ny Fasankarana, hatreny amin’ny Jovena Anosizato ity lalana ity. Vita tanteraka ny fanarenana azy amin’izao fotoana izao, izay efa tena nampitaraina ny mpampiasa […]

Governemanta : tapitra ny fambolen-kazo eto afovoantany

Niara-nientana namboly hazo ny mpikambana rehetra ao amin’ny governemanta, tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny sabotsy 16 marsa teo. Natao teny amin’ny fokontany Ambohimahavelona, kaominina Talata Volonondry, distrika Avaradrano, ny hetsika entina hiarovana ny tanimbary tsy ho kaohin’ny riaka. Misy fifanarahana eo amin’ny primatiora amin’ny kaominina sy ny fokontany, hikarakarana sy […]