Toe-karena

Fampandrosoana niomerika : nivoaka ny drafitrasan’ ny minisitera MNDPT

Mifototra amin’ny andry telo lehibe ny drafitrasan’ny minisitra MNDPT, Razafindramalo Tahina. Voakasik’izany ny maha olona, ny fampananan’asa ary ny tsara fitantanana. Nitatitra ny zava-bita sy ny drafitrasany ny minisitry ny Fampiroboro­boana ny haikajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, Razafindramalo Tahina, omaly. Midika fa nahomby ny zava-bitany matoa voatazona teo […]

Orange money : azo asiana kaonty ny tambajotra rehetra

Azo anokafana kaonty Orange money na tambajotra hafa aza. Vita anatin’ny 5 minitra monja ny fanokafana izany. Fiovana goavana no entin’ny orinasa Orange Ma­da­gascar amin’ireto tolotra vaovao sy miavaka nampahafantarina omaly, tetsy Anko­rondrano, ireto. Tsy mitsaha-mivoatra manaraka ny toetrandro sy manome fahafaham-po ny mpanjifa ny tontolon’ny fifandraisan-davitra eto Madagasikara. Afaka […]

Fitantanana mpiasa : azon’ny Telma ny Top employer 2024

Azon’ny Telma tato anatin’ny telo taona nisesy indray ny mari-pankasitrahana amin’ny fomba fampiasan’ny orinasa ny mpiasa, ny « Top employer 2024 ». Porofo manamarina ny ezaka ataon’ity orinasa ity ny kalitaon’ny fomba fitantanana ny mpiasa (RH) izao loka fanintelony izao, izay azo sokajiana ho fitaratra ho an’ny hafa. Ao anatin’izany ny karama, […]

Tetikasa Produir : miroso ny fanarenana ny lakandrano C3

Kihon-dalana lehibe ho an’ny fanatanterahana ny tetikasa « Produir” ny taona 2024. Voakasik’izany ny asa vaventy hatao eto Antananarivo sy ny manodidina, toy ny fanamafisana ny lakandrano C3, ny fanajariana an-tanàn-dehibe, sns. Hanomboka tsy ho ela ny andiany manaraka amin’ny asa fanamafisana ny sisin’ny lakandrano C3 eto Antananarivo. Ao anatin’izany ny […]

Toamasina : mirongatra ny fitrandrahana akorandriaka

Mitaraina ireo vondron’ny mpanjono ao Toamasina, fa mirongatra ny fitrandrahana akorandriaka (corail). Soka­jiana ho anisan’ny karazam-biby anaty ranomasina, ny «corail», saingy manana endrika vato. Nambaran’izy ireo fa mahatratra hatrany amin’ny 10 taonina isan’andro io akorandriaka alain’ny olona io, izay amidy eny an-tsena. Manaitra ny tomponandraikitry ny fitantanam-paritry ny Jono Atsinanana […]