Toe-karena

Vidin-tsolika : Miakatra mandritra ny volana mey

Miakatra ny vidin-tsolika eto Madagasikara mandritra ity volana mey ity. Antony mahatonga izany ny fiakaram-bidy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena nandritra ny volana marsa teo. Nihena ihany koa ny vo­katr’ireo mpanondrana manoloana ny zava-misy ara-toekarena maneran-tany izay mandray anjara amin’ ny fomba hikajiana ny vidin-tsolika mihatra eto amintsika. Araka izany, “miova […]

VAOVAO TAMBATRA

Nirongatra sady niparitaka ny andiam-balala taorian’ny rotsakorana tany amin’ny faritra Anösy. Nandray andraikitra avy hatrany ny minisitera Minae sy ny Ivonterana miady amin’ny valala (IFVM) ary ny FAO, nanomboka ny marsa teo. Nahatratra 1 460 ha ny velaran-tany notondrahina tamin’ny alalan’ny angidimby ary 2 200 ha ady an-tanety tany Amboasary. Liana amin’ny […]

Fampiasana ny niomerika: Hanova ny fijery sy ny fahaiza-manaon’ny Malagasy

Hapetraka isaky ny renivohi-paritany ireo ivontoeran’ny haitao ara-kajy mirindra (Digital Center). Hampivelatra ny fahaiza-manao niomerika eto an-toerana sy ho fampandrosoana ny olom-pirenena izany. Ireo ny vinan’i Mada­gasikara momba ny niomerika ho an’ny rehetra nandritra ny hetsika « Global Empower­ment Meeting (GEM 2025) », tany Harvard, ny alatsinainy sy talata teo. Novoaboasan’ny minisitry […]

Harena voajanahary : Hikajiana ny harinkarena faobe

Tsy afa-misaraka amin’ny toekarena ny harena voajanahary. Voaresaka nandritra ny fihaonamben’ny « Spring meetings » tany Washington, ny tetikasan’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Hampidirina ho anisan’ireo singa hikajiana ny harinkarena faobe ny harena voajanahary. Ho firenena mpitari-dalana amin’izany i Madagasikara sy Niger. Hitarika ny tetikasa kosa ny filoha lefitry ny […]

Seranan’Ivato: Azon’ny ladoany ny amboara « Best Waiting Time »

Nahitam-bokany ny fanavaozana ny fitantanana ny mpandeha mahakasika ny ladoany eny amin’ny seranam-piaramanidina Antananarivo. Haingana sady tsotra ny fikarakarana. Nahazo ny loka iraisam-pirenena « Best Waiting Time 2024 » ny sampandraharahan’ny ladoany malagasy. Tanteraka izany taorian’ny fakan-kevitra natao tamin’ireo mpandeha eny amin’ny seranana iraisam-pirenena Antananarivo, Ivato. Vokatry ny ezaka maro natao, nanatsarana […]