Toe-karena

Fahaiza-mampiasa ny IA: Mametraka ny daholobe ho ivon’ny fampandrosoana

Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny tolotra omen’ny biraom-panjakana sy ny sehatrasa samihafa ny fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA). Manohy ny asany amin’ny fanatsarana izany ho an’ny dahalobe, amin’ny alalan’ny IA sy ny fanovana niomerika, i Madagasikara. Nitondra ny feon’ny firenena momba ny fanovana niomerika sy ny fampiasana ny IA ny […]

Tsena iraisam-pirenena: Nidina ho 60 dolara ny vidin-tsolika iray barila

Tsy nitsaha-nidina ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena nanomboka ny 15 janoary 2025 teo. Tena manaraka an’izay ve ny eto Madagasikara ? Nanome toromarika ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), mifandraika amin’ny fampindramam-bola Fec* sy ny FRD** ho an’i Madagasikara. Anisan’izany ny hanarahan’ ny eto amintsika ny fiovaovan’ny vidin-tsolika iraisam-pirenena. Raha ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Hotanterahina eny amin’ny MPE Nanisana, ny alakamisy ka hatramin’ny alahady ho avy izao ny Tsenaben’ny fambolena sy ny fiompiana (FEPA), an­diany faha-17. Hetsika fampirantiana sy varotra ho fampiroboroboana ny vokatra eto an-toerana. Maherin’ny 130 ireo tranoheva hanehoan’ny mpandray anjara ny vokany. Haverina ny Fihariana akondro eto Madaga­si­kara. Apetraka ao Brickaville […]

Arabe migodana : Vita soritra ny tohiny hatreo Anjozorobe

Mirefy 80 km ny ampahany voalohany amin’ny Arabe migodana, miainga eto An­tananarivo, eny Tsarasaotra (PK0), hatrany Anjozorobe. Natao ny 8 hatramin’ny 17 avrily teo ny fanoritana ny tohin’ny lalana handalovan’ny tetikasa, eo amin’ny PK40 hatrany amin’ny PK80 (Anjo­zorobe). Notetezina daholo ny toerana, ny vohitra sy tanàna, miainga any Antanetibe-An­jeva, ny […]

Orinasa Base: Mazava amin’ny rehetra ny tetikasa

Natao ny 22 avrily teo ny fanazavana momba ny tetikasa Base any amin’ireo kaominina efatra (Tsianisiha, Ankilima­liniky, Maromiandra, Belalanda) voakasika mivantana ao amin’ ny distrika Toliara II, notarihin’ny governoran’Atsimo Andre­fana. Tao daholo ny ben’ny Tanàna, ny tomponandraikitry ny Fananan-tany ary ny sefo fokontany. Nanazava tamin’ny an­tsipiriany ny tomponandraikitry ny orinasa […]