Hitsirika ny vidin’entana eny an-tsena, isan’andro, ny kaomisera sy ny mpanara-maso ny varotra sy ny fanjifana. Hojerena manokana ny fampiharana ny lalàna sy fanajana ny fitsipika mifehy ny varotra sy ny vidin’entana, isorohana ny fanararaotana. Laharam-pahamehan’ny fanjakana ny sehatry ny varotra hitsinjovana ny mpiara-belona sy ialana amin’ny fanararaotana. Noho izany, […]
Toe-karena
Minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana : “Hotohizana ny asa efa natomboka”
Tontosa tetsy Andavamamba, omaly, ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Randriamandranto Joël, sy ny minisitry ny Asa tanana sy ny haitao teo aloha, Ratsiraka Sophie. « Mifampiankina ny fizahantany sy ny asa tanana. Hotohizana sy hotanterahina ireo asa efa natomboka”, hoy ny minisitra. Hatao laharam-pahamehana ny […]
Minae : hiasa haingana ny minisitra R. Suzelin
Tontosa omaly, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) vaovao, Ratohiarijaona Rakotoarisolo Suzelin, tamin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ramilison Harifidy, sy ny minisitra lefitra misahana ny Fiompiana, ny Dr Raymond. Naneho ny fahavononany ny minisitra vaovao amin’ny hanohizana sy hanatrarana ireo tanjona maro napetraka, […]
Minisitra Olivier Jean Baptiste : « Hampiroboroboina ny fampiasana entona fandrehitra »
Natao omaly, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) teo aloha, Andriamanampisoa Soloniaina, sy ny mandimby azy, Olivier Jean Baptiste. Hisy tetikasa vaovao ho entiny. Notaterin’ny minisitra teo aloha, Andriamanampisoa Soloniaina, ny asa vita sy ny eo andalam-panatanterahana nandritra ny 11 volana nitantanany ity minisitera ity. […]
Fanahimanana Tiaray : “Ilaina ny fakan-kevitra”
“Milaza fahabangan-toerana ny And. 130 amin’ny lalàna 14-020 momba ny fanendrena Filohan’ny delegesiona manokana (PDS) eny anivon’ny kaominina. Efa nohamarinin’ny fitsarana izay fahabangan-toerana izay. Nefa ny zava-misy amin’izao, tapitra ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna”. Io ny fanazavan’ny mpahay lalàna, i Fanahimanana Tiaray. Noho izany, tsy azo lazaina ho fahabangan-toerana ny zava-misy […]