Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Natao, omaly, ny fanatsarana ny lalana eny Analakely. Mirefy 100 m eo ho eo no natao, miainga eo amin’ny tranombarotra Super U hatreny amin’ny vavahadin’ny kaominina CUA. Nokikisana ny godirao teo aloha ary nosoloina vaovao. Manatanteraka ny asa ny Colas, manohy ny efa natao teo aloha. Hiara-kiasa ao anatin’ny fandaharanasa […]

Vovonana Fiharoa: Iraisan’ny mpomba sy ny mpanohitra ny tetikasa Base

Natsangana, ny herinandro lasa teo, ny vovonana Fiharoa any amin’ny kaominina Ankilimaliniky sy Tsianisi­ha. Natao handrindra ireo mpomba sy mpanohitra ny tetikasa Base Toliara. Ahafa­hana mifampidinika sy mifanakalo hevitra eo amin’ny mponina eny ifotony. Mba hisian’ny fitakiana miray feo sady hiarahana misitraka ny tombontsoa azo amin’ny orinasa Base. Nisantatra ny […]

Fihaonana faharoan’ny mpitantana : Hiresaka ny teknolojia ao anatin’ny fitantanana

Tsy afa-misaraka eo amin’ny tontolon’ny asa ny nomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra hampandrosoana ny fandraharahana sy ny fitantanana. Maro ny tombontsoa entiny, misy koa ireo voka-dratsin’ny fikirakirana ny teknolojia. Hampahafantatra ireo tombontsoa sy ny fiantraikan’ny fampiasana ny teknolojia eo amin’ny sehatry ny fandraharahana sy ny fitantanana ny Dr Fabrice […]

VAOVAO TAMBATRA

Nahitam-pidinany ny vidim-bary eny an-tsena amin’izao fotoana raha oharina ny tamin’ny iray volana lasa. Vidina eo anelanelan’ny 2 800 ka hatramin’ny 4 000Ar ny kilaon’ny vary Manalalondo, Zanatany, Dista, Makalioka sns. Tafakatra hatrany amin’ny 3 700 sy 4 200Ar ny vidin’ireo teo aloha. Izany hoe, nahitana fihenana manodidina 4,76% ka hatramin’ny 24,32%. Vitsy an’isa […]