Mitombo hatrany ny fomba azo handoavana ny faktioran’ny Jirama, hampihenana ny filaharam-be. Anisan’ny vaovao ny fandoavana azy eny amin’ny Cash point nahazo alalana avy amin’ny Jirama. Maro ny mitaraina amin’ny filaharam-be rehefa mandoa ny faktioran’ny jiro sy ny rano. Miroso amin’ny fampiasana ny teknolojia niomerika ny fanjakana, amin’ny alalan’ny Jirama. […]
Toe-karena
Tsy fifandanjana ara-bola : nihoatra ny 6 400 miliara Ar ny banga
Nihoatra ny tetibidin’ny entana nafarana avy any ivelany ny saran’ny naondrana. Araka ny antontan’isa navoakan’ny Sampandraharahan’ny ladoany (DGD), nitentina 6 438,8 miliara Ar ny banga, amin’ny tsy fifandanjana ara-barotra ho an’i Madagasikara, nanomboka ny janoary hatramin’ny novambra 2023 teo. Nahatratra 12 915 miliara Ar ny sandan’ny entana naondrana any ivelany, […]
MEF : boky mirakitra ny fitantanam-bola
Nivoaka ny boky mirakitra ny tetibola sy ny fitanatanambolam-panjakana. Mampahafantatra ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola (MEF), fa azon’ny besinimaro fantarina ny antontam-baovao mahakasika ny tontolon’ny tetibola. Anisan’izany ny tetibola ho an’ny daholobe, ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana sy ny torolalana ny fomba famakiana azy. Tsy misy sarany ireo boky […]
Vary lo any Toamasina : Pakistaney roa hatao famotorana
Taorian’ny tany Mahajanga, nisy vary tanaty kaontenera telo koa tratra tany Toamasina. Tsy mbola nisy ny Malagasy tompon’andraikitra ambony voarohirohy. Naharay vaovao ny zandary eto Toamasina, fa misy ny tambajotra mikirakira vary lo, ny alatsinainy 8 janoary teo. Nihetsika avy hatrany izy ireo, ka natao ny fanarahan-dia tany amin’ny lalam-pirenena […]
Tandindomin-doza i Toamasina : mitokona tsy mety miasa ny vondrona mpamonjy voina
Tsy mirary loza ! Notohizan’izy ireo indray nanomboka omaly, ny fitokonana nataon’ny mpiasan’ny mpamonjy voina eo anivon’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina. Hihamafy hatrany izany raha tsy mivaly ny fitakian’izy ireo. Ho an’ny hetsika fitokonana omaly, ireo kamiaobe fampiasa amin’ny vonjy voina raha misy haintrano no nabahan’izy ireo ny vavahady. «Tandindomin-doza noho […]