Toe-karena

FAPBM: hanohana ny tsy miankina ny tetikasa Bridge

Misitraka tohana ara-bola avy amin’ny tetikasa Bridge, ny Fikambanana ho an’ny faritra arovana sy ny tontolo mananaina eto Madagasikara (FAPBM). Tetikasa iombonan’ny Fikambanan’ny tahirimbola afrikanina ho an’ny tontolo iainana (CAFE) sy ny tambajotra tahirimbola latina-Amerikianina sy karaibiana (RedLac). Tanjona ny hametrahana fiaraha-miasa stratejika eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny […]

Marovoay: Kojakojam-pamokarana ho an’ny tantsaha

Mitohy hatrany ny fanohanana mivantana ny tantsaha mpamboly, hampitomboana ny vokatra sady hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nozaraina ny 6 janoary teo ny kojakojam- pamokarana ho an’ny tantsaha ao amin’ny kaominina an-tanàn-dehibe Marovoay, faritra Boeny. Miisa 234 ny mpamokatra nisitraka izany, nahazo masomboly vary an-drano milanja 3 510 kilao, zezika NPK […]

Tanjona ODD 2030: fiaraha-miasa vaovao amin’ny SNU

Tapitra tamin’ny taona 2023 ny fe-potoanan’ny Drafi-piarahamiasa eo amin’ny Rafitry ny Firenena mikambana (SNU) sy ny firenena malagasy. Misy indray ny famolavolana drafitrasa vaovao ho an’ny taona 2024-2028, entina hanatrarana ny Tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD) amin’ny taona 2030, napetraky ny Firenena mikambana (ONU). Anisan’ny rafitry ny SNU, ao amin’ny ONU, […]

Vidim-piainana: tafakatra 24 000 Ar ny kilaon’ ny henan’omby

Miakatra hatrany ny vidin’ny hena! Mananika ny 24 000 Ar ny iray kilao amin’ny henan’omby. Miakatra koa ny vidin’ny henan-kisoa. Talohan’ny fetin’ny faran’ny taona no efa nahitana fiakarana ny vidin’ny hena. Mbola mitombo hatrany izany. Tafakatra 24 000 Ar ny kilaon’ny henan’omby etsy Antohomadinika. Manodidina ny 21 000 ar/kg raha hena […]