Fiovan’ny toetr’andro: Tanjona ny famatsiam-bola 1,3 miliara dolara

Nandray anjara tamin’ny fivoriana faha-62 nataon’ireo rafitra ao anatin’ny Fifanarahana mahakasika ny fiovan’ny toetr’andro tany Bonn Alemaina, i Madagasikara. Nodinihina ny paikady entina hanalefahana sy hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, ny famatsiam-bola ilaina, ny fatiantoka sy ny fahavoazana, ny rafitra ara-barotra, ny fahaiza-mitantana, ny fitovian’ny lahy sy ny vavy ary ny REDD+.
Anisan’ny tanjona ny famatsiam-bola mitentina 1,3 miliara dolara isan-taona hatramin’ny taona 2035, araka ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny Cop29 farany teo. Manamafy ny antso natao tamin’ireo firenena mandroso i Madagasikara sy ny firenena andalam-pandrosoana. Voakasik’izany ny hanatanterahana ny andininy faha-9.1 ao anatin’ny Fifanarahan’i Paris, mitaky famatsiam-bola mifanaraka amin’ny andraikiny manoloana ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny Cop30 izay hatao any Belém Brazila amin’ny novambra 2025 ity hetsika ity.

Njaka A.

Partager sur: