Naiditra am-ponja vomjimaika ao Marofoto, Mahajanga ireo olona fito voarohirohy tamin’ny fanadiovana ilay vary simba 50 kaontenera tratra tao Mahajanga. Anisan’izany ny mpanangom-bokatra sady tompon’ilay orinasa, ny tompon’andraikitra tamin’ny fikarakarana ny taratasy. Voasaringotra tamin’ny raharaha ihany koa ny mpitoto vary, ny mpamily sy ny mpanampin’ny mpamily ary ny mpibata entana […]
Toe-karena
Sakaraha : narahi-maso ara-teknika ny mpiompy trondro
Nidina ifotony, nitsirika sady nanohana ara-teknika ny mpiompy trondro any amin’ny distrikan’i Sakaraha, ny tomponandraikitra ao amin’ny fitantanam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Atsimo Andrefana, ny 24 desambra 2023 teo. Narahi-maso sady nomena tolo-kevitra ara-teknika ny mpiompy trondro, ahafahany manatsara ny seha-pihariany. Telo ny mpiompy trondro notsidihina, ka […]
Taom-pambolena 2023-2024: nahatratra 380 000 kilao ny masomboly vary voazara
Manohana mivantana ny tantsaha mpamboly ny tetikasa “Purpa », vatsian’ny Banky afrikanina ara-bola, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Notolorana kojakojam-pamokarana izy ireo, toy ny masomboly samihafa, sy zezika NPK sy organika. Nosantarin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ny volana novambra teo, ny taom-pambolena 2023-2024. Misy ny lamina sy ny paikady mazava […]
Mahajanga: saika havadika zezika ireo vary 50 kaontenera simba
Natsahatra ny fanodinana ireo vary 50 kaontenera simba ao Mahajanga taorian’ny resabe niely teny anivon’ny fiarahamonina. Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha momba ilay vary simba 50 kaontenera mitoby ao amin’ny orinasa Vison Madagascar,Vima, (Sotema taloha), ao Mahajanga. Niely ny feo fa haparitaka eny an-tsena ireo vary ao anaty […]
Farihy Tsimanampetsotsa: arovana ny trondro jamba mitoho
Karazan-trondro jamba ny mitoho, antsoina hoe : « Typhleotris madagascariensis ». Tsy hita maneran-tany afa-tsy any amin’ny faritra Atsimo Andrefan’i Madagasikara, toy ny ao anatin’ny zohy valanjavaboahary arovana ao Tsimanampetsotsa, Toliara. Mitantana ity toerana ity ny Madagascar National Park (MNP), miara-miasa amin’ny Vondrona olona ifotony (VOI). Manana ny kolontsainy mampiavaka azy ny mponina […]