Hiantraika amin’ny toekarem-pirenena sy ny fiainan’ireo orinasa afakaba ny fampiakaran-ketra ho 47% alain’i Etazonia amin’ireo entana avy eto Madagasikara. Heverina ny hisian’ny fandroahana mpiasa sy fandefasana chômage teknika amin’ireo orinasa afakaba. Mampivarahontsana. Mampanahy ny hoavin’ny toekarena sy ireo orinasa afakaba manoloana ny fampiakaran’i Etazonia ho 47 % ny hetra haloa […]
Toe-karena
Fizahantany : An-jatony ny handray anjara amin’ny ITM 2025
Natao sonia, omaly, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM) sy ireo mpiara-miombon’antoka, handray anjara amin’ny “International Tourism Fair Madagascar (ITM) 2025”. Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny asa tanana, Dewa Viviane, sy ny tale jeneralin’ny ONTM, Barivelo Danny. Andiany faha-11 […]
VAOVAO TAMBATRA
Tafakatra 5 000 Ar ny sandan’ny euro eo amin’ny tsena fifanakalozam-bola iraisam-pirenena. Tsy mitsaha-mitontogana ny vola malagasy. Omaly, nisanda 5 001,53 Ar ny euro ary 4 628,41Ar kosa ny dolara. Tsy mifandanja ny fivezivezen’ireto vola vahiny ka mahatonga ny vola euro midangana. Ambany ny toekarena malagasy ka misongadina ny vokatra […]
Ecoles internationales Maarif-Madagascar: Fahombiazana ny « Salon de l’orientation »
Tratra ny tanjona ho an’ny écoles internationales Maarif- Madagascar nandritra ny «Salon de l’orientation» andiany voalohany, ny herinandro teo. Tafakatra 1 000 ireo mpianatra avy amina Lycée samihafa, avy eto an-drenivohitra sy Ambohidratrimo namonjy ny hetsika. « Talohan’ny hairanty natao, nisy ny fampahafantarana an’ireo mpinanatra ny tontolon’ny asa izay niarahana […]
« Festival de la nature »: Hanome lanja ny tontolo iainana
Hotanterahina ny 17 ka hatramin’ny 24 mey, eto Antananarivo, ny « Festival de la nature » andiany voalohany, karakarain’ny Cetamada. Soatoavina lehibe napetrak’izy ireo ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny tontolo an-dranomasina. Tao anatin’ny 10 taona, natao tany amin’ny Nosy Boraha hatrany ny fankalazana ny « Festival de la nature » ka nahafahana […]




