Toe-karena

Sendikan’ny indostria eto Madagasikara : natsangana ny « Centre de gestion agréé »

Entina hanampiana amin’ny fitantanana ara-bola sy hanaraha-maso ireo orinasa mitsangana eto Madagasikara ny tanjona napetraky ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM) nandritra ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny foibem-pitantanana natao ho an’ny orinasa madinika sy salantsalany (centre de gestion agréé, CGA) tetsy Analakely, omaly. Tombony amin’ny CGA ny fanamorana ny […]

Fitaterana: tafaverina ny zotra an-dalamby FCE

Hiverina hisokatra manomboka rahampitso sabotsy 23 desambra ny zotra an-dalamby FCE mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara rehefa niato volana vitsy lasa izay. Hanamora ny fitateram-bokatra sy ny entana amin’ireo faritra roa ireo ity zotra an-dalamby ity. Hampifandray an’ireo tanàna manodidina fa indrindra hampiroborobo ny toekarena sy ny fizahantany ao an-toerana […]

Fizahantany : nanodina horonantsary teto Madagasikara ny Bollywood

Tonga teto Madagasikara ny ekipan’ny trano famokarana sarimihetsika goavana indiana Bollywood. Nanodina horonantsary tany Toliara sy teto Antananarivo izy ireo, andaniny, sady hampiroborobo ny fizahantany mankaty Madagasikara, ankilany. Resy lahatra ! Nisafidy an’i Madagasikara ny trano mpamokatra sarimihetsika malaza sady goavana indrindra any India, Bollywood, noho ny hakanton’ity Nosy ity. Nanodina […]

Akany Fitiavana : nisitraka vary 2 gony avy amin’ny kaominina Antananarivo

Nisitraka vary 2 gony ireo olona manana fahasembanana ao amin’ny Akany Fitia­vana, etsy Faliarivo Amba­nidia, ao amin’ny boriborintany faharoa, omaly. Nanolotra izany ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivo­hitra. Mitaiza olona sembana sy zaza kamboty ny akany. Lehilahy 12 sy vehivavy 10, anelanelan’ny 14 hatramin’ny 54 taona izy ireo. “Fanome­zana avy […]

Fampiroboroboana ny fizahantany : manamafy ny fahaizana miserasera

Hanampy sy hanome tan­tsoroka an’ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny fizahantany, izay no tanjona apetraky ny agence Tropi’Com, nandritra ny fanolorana azy tetsy Andraharo, omaly. Hanampy amin’ny lafiny serasera sy fampahafantarana ny tolotra sy ny mampiavaka ny mpian­tsehatra samihafa ny tsanganasa (agence). “Manan-karena i Madagasikara izay tokony haseho an’izao tontolo izao, […]