Miverina mitontonga indray ny vola malagasy. Mielanelana 346,44Ar ny sandan’ny Euro sy ny dolara eo amin’ny tsenam-bola iraisam-pirenena. Tafahoatra ny 4 980 Ar ny euro iray, mihoatra ny 4 600Ar kosa ny 1 dolara. Porofo izao fa ambony lavitra ny vokatra hafarantsika raha oharina amin’ireo miondrana. Handray anjara amin’ny hetsika World Travel […]
Toe-karena
Fihaonambe N4G : Tanjona ny fahavitan-tena ara-tsakafo
Nifarana ny 28 marsa teo, ny Fihaonambe iraisam-pirenena momba ny sakafo, Nutrition For Graowth (N4G), natao tany Paris. Taorian’ny fifampidinihina sy ny ady sisika samihafa, vonona hanokana 27,55 miliara dolara ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena sy ny firenen-dehibe. Mifantoka amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny foto-kevitra nijoroan’ireo delegasiona malagasy. Nohamafisin-dRtoa Sekreteram-panjakana misahana ny […]
EPP Ankorondrano: Nisitraka tabilio vita amin’ny fako plastika
Vaindohan-draharaha ny orinasa Andao Company ny hanohanana ny sehatry ny fanabeazana izay fototry ny fampandrosoana. Nanolotra dabilio miisa 25 vita tanteraka amin’ny fako plastika voaodina milanja 700 kg ho an’ny EPP Ankorondrano ny orinasa. Hetsika tafiditra anatin’ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy (RSE) sy ho fikajiana ny tontolo iainana. Tanjona ny hanatsarana […]
Andron’ny seha-pamokarana : Hampahafantatra ny lanjan’ny vokatra malagasy sy ny fiarovana azy
Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy harinkarena faobe ny indostria sy ny seha- pamokarana. Andraikitry ny « autorité nationale chargée des mesures correctives commerciales » (ANMCC) ny mametraka ny fepetra fiarovana ara-barotra ny vokatra eto an-toerana. Manara-maso ihany koa ny fenitry ny kalitao manoloana ny fitobahan’ny entana avy any ivelany. Misy […]
55 taona ny Eau vive : Mamokatra rano fisotro 110 000 isan’andro
Rano fisotro madio anaty tavoahangy voalohany eto Madagasikara ny marika Eau vive. Niforona tamin’ny taona 1970 ny orinasa Société d’exploitation des sources d’eaux minérales d’Andranovelona (Sema), ao anatin’ny Vondrona Star. Tsy nitsahatra nivoatra manaraka ny toetrandro nandritra izay 55 taona izay ny orinasa. Vokatra azo antoka satria hentitra ny fanaraha-maso, […]




