Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Vonona hamatsy vola hanarenana ny tetezan’Ifasy sy Mahavavy (RN6) ny Banky iraisam-pirenena. Eo am-pandinihana ny fomba hanatanterahana azy, miaraka amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny Antokondraharaha misahana ny lalana (Agence routière), ny orinasa Colas ary ny Banky iraisam-pirenena. Anisan’ireo firenena telo ho fitaratra i Madagasikara amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina. […]

Fitantanana trosa: Paikady vaovao ho an’i Madagasikara

Voalaza nandritra ny fivoriambe iraisam-pirenena faha-14 ny Firenena mikambana momba ny varotra sy ny fampandrosoana, (Cnuced), momba ny fitantanana ny trosa ireo paikady vaovao apetrak’i Madagasikara. Nitondra fanazavana mahakasika izany ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarin­irinarison Rindra Hasimbelo. Misy, hoy izy, ny rafitra handrindrana ny trosam-panjakana (dette publique) […]

Espace Jeune Entrepreneur (EJE): Hampahafantatra ireo paikady amin’ny fandraharahana

Hamaritra ny hoavin’ny fandraharahana ireo paikady mifanaraka amin’ny fanabeazana ara-bola. Io ny lohahevitry ny hetsika « Espace jeune entrepreneur (EJE) » andiany faha-13 amin’ity taona ity. Miantoka ny fampanana asa maharitra ny sehatry ny fandraharahana. Antony hametrahana ireo paikady mahomby rehetra ho ivon’ny hetsika “Espace jeune entrepreneur (EJE)”, andiany faha-13, ny 21 […]

Fambolen-kazon’ny ANTM : Hamelo-maso ny zavamaniry fanao fanafody

Nanatanteraka fambolen-kazo tany Ankazomalaza, Ambohimanga Rova, ny Fi­kamb­anan’ny mpitsabo nentim-paharazana (ANTM), ny faran’ny herinandro teo. Efa nanatanteraka izao hetsika izao izy ireo tao anatin’ny efa-taona nisesy. Hetsika natao hitarihana ny mpikambana rehetra mba hiaro ny tontolo iainana, araka ny lalàna amam-pitsipika mifehy ny ala. 15 000 eo ho eo ireo […]