Manohana ny tanora amin’ny fampiasana ny teknolojia niomerika ny orinasa Airtel Madagasikara. Anisan’izany ny fiaraha-miasany amin’ny Oniversite Fianarantsoa. Natao sonia omaly, ny fiaraha-miasa eo amin’ny Airtel Madagasikara sy ny sekoly ambony Emit any amin’ ny oniversite Fianarantsoa. Fiaraha-miombon’antoka mifantoka amin’ny fanohanana ny tanora mpianatra momba ny fikarohana amin’ny teknolojia niomerika. […]
Toe-karena
MADAGASIKARA: manana paikady hampiroboroboana ny indostria
Fanamby apetrak’i Madagasikara ny fampiroboroboana ny sehatry ny indostria amin’ny alalan’ny paikady roa sosona hanatanterahina izany. Fisarihana ireo mpampiasa vola goavana izay mila fotoana elaela kokoa raha toa ka ny fampiroboroboana ny indostria madinika haigam-pivelarana, ny iray hafa, hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana, […]
Tetikasa Efaho: mandroso ny asa fametrahana ny fantsom-be
Eo am-pamaranana ny fanajariana ny toerana malalaka hametrahana ny fotodrafitrasa hisintonana ny rano avy ao amin’ny reniranon’Efaho any Taolagnaro. Mirefy 97 km ny fantsom-be miainga ao amin’ity renirano ity hatrany Ambovombe. Tonga nijery ifotony tany Esalo, kaominina Manambaro, distrika Taolagnaro, ny fizotry ny tetikasa Efaho ny praiminisitra (PM) Ntsay Christian, […]
Fanondranana ; betsaka ny akora fototra azo trandrahina
Niantoka ny 22.4% amin’ny tahan’ny Harinkarena faobe eto Madagasikara nandritra ny taona 2022 ny fambolena. Raha 58,7 tapitrisa ha ny velaran’i Madagasikara, mahatratra 40,8 tapitrisa ha ny velarana azo volena. Mbola maherin’ny 33,2 tapitrisa ha anefa ny tany tsy mbola voatrandraka. Manan-karena akora fototra azo trandrahina tsara i Madagasikara ankoatra ireo voly […]
MTP: nahomby 85% ny zana-kazo voavoly
Mandray anjara amin’ny tanjona fandrakofana ala an’i Madagasikara ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Manodidina ny 3 000 isa ny zana-kazo nambolen’ny fianakaviamben’ity minisitera ity, ny volana marsa 2023 teo. Tany amin’ny fokontany Ambohibarikely, ao amin’ny faritra ZODAFARB Ampangabe, kaominina Ambalavao, distrika Atsimondrano no nanatanterahina izany. Taorian’ny fanombanana ny herinandro lasa […]