Toe-karena

Tetikasa Picas1 : fampandrosoana ny fambolena any Androy sy Anosy

Miompana amin’ny fampiroboroboana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro any amin’ny faritra Anosy sy Androy ny tetikasa “Picas”*, andiany voalohany. Famatsiam-bola avy amin’ ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), mi­tentina 14,7 tapitrisa U.C**. Nanomboka tamin’ny jona 2023 ny fanatanterahana azy, ka anisan’izany ny fanajariana ny lemaka miisa enina, […]

Telma : mivelatra manerana ny Nosy ny tanjaka 5G

Navoakan’ny orinasa Telma Madagasikara, ny volana jona 2020, ny tanjaka 5G, voalohany aty Afrika. Fivoara­na teknolojia miavaka, satria tambajotra tena matanjaka. Miara-miasa amin’ny marika Ericsson (orinasa Nasdaq : Eric) ny Telma amin’ny fametrahana ny tanjaka 5G, ho an’ny finday no­hatsaraina (eMBB) ny voalohany, ary ny fitaovam-pifandraisan-davitra tsy mila tariby (FWA) ny […]

Salon international de l’habitat : hankalaza ny jobily volafotsy amin’ity taona ity

Hiavaka tanteraka ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny hetsika « Salon international de l’habitat », hatao ny 19 ka hatramin’ny 22 oktobra izao. Hisy ny fihenam-bidy manokana hatolotr’ireo mpandray anjara. Hotontosaina ny 19 ka hatramin’ny 22 okotobra izao ny hetsika « Salon international de l’habitat » (SIH), izay hatao eny amin’ny Parcs des expos, Forello, […]

Fanaraha-maso ny zavamaniry : hiara-hiasa ny FAO sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana

Tetikasa hiompana amin’ ny fanaraha-maso ireo aretina mianjady amin’ny zavamaniry sy ny tontolo anaty ala izay tena anisan’ny mamotika ny tontolo iainana. Ireo no handrafitra ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny sam­pandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fambolena sy ny famokarana (FAO) sy ny minisiteran’ny Fambo­lena sy ny fiompiana. Natao ny alatsinainy teo […]

Fari-dranomasina: hapetraka ny drafi-panajariana

Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny fandrindrana ny fampiasana ranomasina, hiadina amin’ny fanararaotana ny harena an-dranomasina sy ny fivezivezena tsy ara-dalàna eto amintsika, izay mahatonga loza samihafa. Hapetraka ny drafi-panajariana ny fari-dranomasina manerana ny Nosy, handrindrana ny fihariana isan-tsokajiny mifandraika amin’izany. Tetikasa iarahana amin’ireo mpisehatra an-dranomasina samihafa. Hampitomboina, manaraka izay, ireo […]