Misalasala amin’ny fampiasana ny masomboly vary safiotra ny tantsaha noho izy mitaky fepetra maro samihafa iantohana ny famokarana. Na izany aza, mifameno amin’ny vokatra eto an-toerana ireo masomboly zarain’ny fitondram-panjakana hanatrarana ny fahavitan-tena. Marisarisa amin’ny fampiasana masomboly vary safiotra voizin’ny fitondram-panjakana ny tantsaha noho ny antony maro. Ao ireo milaza […]
Toe-karena
Antsirabe : Fihaonamben’ny mpandraharaha madinika
Natao tany Antsirabe, ny 5 marsa teo, ny Fihaonamben’ny mpanjifa mpandraharaha, (Forum Clients) andiany faharoa. Voakasik’izany ireo mpandraharaha sy orinasa tena madinika sy salantsalany (TPE-PME). Mikarakara azy ny Sipem Banque, entina hanomezana torolalana hampiroboroboana ny fandraharahana any Vakinankaratra. Ao anatin’izany ny hikarohana fomba mahomby amin’ny sehatry ny ara-bola, ahafahana manitatra […]
VAOVAO TAMBATRA
Mitentina 8,7 tapitrisa dolara ny tetikasa Fier natao hanamafisana ny famatsiam-bola ho an’ny angovo madio sy maharitra eto Madagasikara. Manohana ny tetikasa ODD, Pnud, Onudi ary UNCDF. Tetikasa iaraha-miasa amin’ny fanjakana malagasy sy ireo minisitera voakasika. Nifampizara lalan-tsaina entin’ny governemanta hampandrosoana ny faritra Boeny ny minisitry ny Toekarena sy ny […]
Mahajanga : Hamboarina ny seranan-tsambo
Sesilany ny fotodrafitrasa apetraky ny filoham-pirenena nandritra ny diany tany Mahajanga, ny herinandro teo. Tapaka fa hamboarina ny seranan-tsambo ao an-toerana manomboka amin’ity taona ity. Haharitra 10 taona ny fanatanterahana ny asa mba hahafahana mamaly ny fifaninanana iraisam-paritra sy hamaliana ny tsena an-dranomasina eo amin’ny lakandranon’i Mozambika. Tafiditra ao anatin’ny […]
Tobim-pamokarana herinaratra 5MW: Hovitaina ao anatin’ny efa-bolana
Vitaina anatin’ny fotoana fohy ny fanatanterahana ny tetikasa tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro ao Mahajanga. Napetraka ny zoma teo ny vato fototra hanatanterahana ny tetikasa. Efa-bolana. Izay no faharetan’ny fanamboarana ny tetikasa tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro hapetraka ao Mahajanga. Hanana tanjaka 5MW ny tetikasa ka tanjona ny […]




