Mahasarika ny ankamaroan’ny olona ny fihariana tantely noho izy mamokatra mandavan-taona. Mampidi-bola ny asa saingy mitaky fepetra manokana. Fihariana madinika anisan’ny mamelona fianakaviana maro ny fiompiana tantely. Mampidi-bola izy ary mamokatra mandavan-taona. “Ahazoana tantely hatrany amin’ny 20 l isan-taona ny tohotra tantely iray”, hoy ny fanazavan’i Tina, mpiompy tantely iray […]
Toe-karena
Televiziona StarTimes: fandaharana vahiny nadika teny malagasy
Antomotra ny vanim-potoan’ny fetin’ny faran’ny taona. Manome tolotra vaovao ny mpanjifany ny StarTimes Madagasikara. Hisy ny tombony manokana, karazana horonantsary samihafa, nanomboka ny 20 novambra teo, hatramin’ny 24 janoary 2024. Hisitraka ny tolotra «Smart/ Super», mandritra ny 30 andro ny mpanjifa mamandrika 30 000 Ar. Hahazo fanampiny (bonus), mandritra ny […]
Profesora Jonah Ratsimbazafy : « Nampitomboiko avo roa heny ny ezaka noho ny kilemako »
Mpampianatra mpikaroka, ny Profesora Jonah Ratsimbazafy, manampahaizana ambony mahakasika ny varika. Nizara ny fahombiazany izy. Dinidinika. Gazety Taratra (*) : Azonao zaraina ve ny tena fahombiazanao ? Pr. Ratsimbazafy Jonah (-) : Nanoratra boky amin’ny teny frantsay aho, mitondra ny lohateny hoe : «C’est dans l’obscurité que les étoiles scintillent», adika hoe : «Mamiratra ao anatin’ny haizina […]
MS ZUIDERDAM: nitondra mpizahatany 1 800 nitsidika an’i Nosy Be
Tafiditra anatin’ny vanim-potoana fandalovan’ireo sambo lehibe (paquebot) mpitondra mpizahatany eto Madagasikara isika izao. Fotoana hampiroboroboana ny toekarena amin’ny alalan’ny fizahantany. Nandalo tao amin’ny faritra Nosy Be ilay sambo lehibe MS ZUIDERDAM tamin’ny alalan’ny “Madagascar Air tours”. Manodidina ny 1 800 ireo mpizahatany tao anatin’ ny sambo izay avy amin’ny firenena […]
Toekarena: nifanohana ny mpandraharaha
Nifarana ny sabotsy teo ny fihaonambe nasionalin’ny mpandraharaha (forum des entrepreneurs), andiany faha-5, nokarakarain’ny fikambanana Club des Entrepreneurs eo anivon’ny Madagascar Entreprises Développement Aina. Hetsika nahafahan’ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany mifampizara traikefa, mifanakalo hevitra manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana izay miantraika betsaka amin’ny toekarena sy ny fandraharahana. Nisy ny varotra sy […]