Naharitra 50 volana ny namolavolana ny tetikasa Fampivoarana ny fahaiza-mitantana ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana eto Madagasikara (F3LTM). Nanatontosa azy ny Jica sy ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Natao omaly ny fivoriana faran’ny Vaomiera iombonana mpandrindra (CCC), andiany faha-8 sy ny fivoriana ara-teknika andiany fahefatra. Miisa enina ny […]
Toe-karena
Orinasa Star : Zana-kazo 80 000 hambolena
Ataon’ny orinasa Star vaindohan-draharaha ny fambolen-kazo, ao anatin’ny Fandraisana andraikitry ny orinasa ara-piarahamonina (RSE). Tanjona ny hiarovana ny tontolo iainana ahazoana vokatra maharitra. Maherin’ny 80 000 ny zana-kazo nomanina tamin’ny taona 2024, hiatrehana ny taom-pambolena 2025. Miisa 26 000 ny naparitaka manerana ny toeram-pamokaran’ny orinasa, ka 12 500 any Ambatolampy, […]
Fampandrosoana: Mandrafitra ny 98% ny toekarena ny orinasa madinika
Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny toekarena ny sehatry ny fandraharahana. Miteraka asa sy mampidi-bola izy ary mitarika amin’ny fampandrosoana ny firenena. Manome lanja ny vehivavy sy ny tanora mpandraharaha ny fikambanan’ny orinasa malagasy (Fom). Anatin’ny fanamafisana ny fahaiza-mitantana ny orinasa madinika izy ireo mba hisitrahan’ireo mpikambana fampiofanana sy famatsiam-bola […]
Arabe migodana ; Filam-baniny ny an’ireo fiarahamonim-pirenena
Ho valin’ny fanambarana nataon’ny OSC, nitondra fanazavana ny governemanta tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Asa vaventy. Nodisoin’izy ireo io fanambarana io, araka ny fanehoan-kevitra. Namoaka fanambarana indray ny vondrona fiarahamonim-pirenena OSC, manohitra ny tetikasa Arabe migodana, Antananarivo-Toamasina, indrindra ny ampahany voalohany (Antananarivo-Anjozorobe), mirefy 80 km. Rehefa zohina, miendrika filam-baniny ny fanambaran’izy ireo, […]
VAOVAO TAMBATRA
Namoaka setroka maloto sy fofona ny orinasa iray eny Ivato. Nidina teny an-toerana ny fanjakana (Medd, MIC, ONE, kaominina,…), ka nasaina naaton’ilay orinasa ny fandorany vorodamba sy plastika satria tsy tomombana ny milina ao aminy. Hiverina eny an-toerana ny ONE hanombana ny lafiny teknika sy hijery ny fanarahana ny didim-panjakana […]




