Hamokatra chips hatramin’ ny 100 kg isan’ora ilay milina napetraka ao Andramasina, ny zoma teo, tamin’ny alalan’ ny taninketsa indostrialy (ODOF). Tetikasa hanomezan-danja ny vokatra eny ifotony, hanatsarana ny fari-piainan’ny tantsaha mpamokatra. Manodidina ny 25 000t isan-taona ny ovy mivoaka avy ao amin’ireo kaominina maromaro ao anatin’ity distrika ity, toy […]
Toe-karena
Fizahantany- Volana oktobra: maherin’ny 28 450 ireo tonga teto amintsika
Velom-panantenana. Tsara ny vokatra raha ny fizahantany teto amintsika, ny volana oktobra teo, no jerena. Maherin’ny 28 450 ireo mpizahatany tonga nitsika an’i Madagasikara. Nampiakatra indray ny toekarena malagasy sy nampidi-bola ho an’ireo mpiantsehatra samihafa. Tao anatin’ny 10 volana, nahatratra 184 824 ireo mpizahatany tonga teto amintsika ka ny volana […]
Farafangana: ho vita ao anatin’ny telo volana ny aérogare
Hiverina hisokatra tsy ho ela ho an’ny besinimaro ny aérogare vaovaon’i Farafangana. Hetsika mifandraika amin’ny fampiroboroboana ny sidina anatiny izay kasain’ny Madagascar Airlines hatao. Manan-karena eo amin’ny sehatry ny fambolena jirofo sy lavanila ary vokatra fanondrana i Farafangana. Vavahadin’ny faritra Atsimo Atsinanana rahateo ny toerana. Tombony lehibe ahafahan’ireo mpandraharaha sy […]
Mpivarotra eny Analakely sy ny manodidina : matiantoka vokatry ny toe-draharaha politika
Potika ny fiharian’ireo mpandraharaha sy mpivarotra eny Analakely sy ny manodidina noho ny toe-draharaha politika miseho amin’izao fotoana. Simba ny toekarena, mihena ny fidiram-bola. Velon-taraina ny ankamaroan’ireo mpivarotra eny Analakely noho ny hetsika, toe-draharaha, politika miseho amin’izao fotoana izao. Lasibatra tanteraka ny toekarena ka tsy mampidi-bola na ireo mpandraharaha maro […]
Ida-Fiavota: 1 tapitrisa mahery ny afaka tamin’ny kere
Mahatratra 85 tapitrisa dolara ny famatsiam-bolan’ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana (Ida), tahirim-bolan’ny Banky iraisam-pirenena. Napetraka ny fandaharanasa Fiavota, hiadiana amin’ny fahantrana sy ny kere any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Anisan’ny niaina ny mosary, tamin’ny taona 2016, i Volatsarasoa, 33 taona, monina any Malangy, distrika Ambovombe. Nambarany fa « tena mafy […]