Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Mitotongana, lasa 4 920,55 Ar ny euro iray, omaly. Tsy mitsaha-miakatra izany tao anatin’ny tapa-bolana. Marin-toerana kosa ny dolara izay nisanda 4 701,80 Ar. Tsy mifandanja ny fanondranana sy ny fanafarana entana ataon’i Madagasikara. Betsaka ny entana fototra hafarantsika sy ny solika izay hamoahana vola vahiny. Mamolavola ireo paikady hamerenana ny famokarana […]

Angovo : Voizina ny Famatsiam- bola maitso

Miara-miombon’antoka ny Sipem Banque sy ny orinasa Pharmadiff Solair. Azo atao ny mandoa tsikelikely ny entana ao amin’ny Pharmadiff Solair amin’ny alalan’ny findramam-bola ao amin’ny Sipem Banque. Voakasik’izany ny fitaovam-pitsaboana samihafa amidin’ny Pharmadiff, miainga any amin’ny madinika indrindra hatramin’ny vaventy (« concentrateur d’oxygène, tensiomètre, réspirateur, … »). Toraka izany koa ny karazana […]

Fanampiana ny sahirana : Tokantrano 171 haorina eny Andavamamba

Arovana amin’ny tondradrano sady hatsaraina ny fari-piainan’ny mponina eny amin’ny faritra iva. Diovina sy hamafisina ny lakandrano, haorina ny trano fonenana sy fotodrafitrasa maro. Mitohy ny fanatanterahana ny Tetikasa fampiroboroboana ny ta­nàn-dehibe sy ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro eto Antananarivo (Produir). Ma­matsy vola azy ny Banky iraisam-pirenena, tanterahin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana […]

Jirama : Mitaky ny hanalana ny tale jeneraly ny mpiasa

Hiroso amin’ny fitokonana faobe ny mpiasan’ny Jirama. Araka ny loharanom-baovao, takin’izy ireo ny handraisan’ny fanjakana fepetra amin’ny tale jeneraly sy ny tale miisa telo akaiky azy. Antony, leo ny mpiasa satria mangataka fa­nemorana foana ireo mpitantana rehefa hangatahana fi­haonana. Raisin’izy ireo ho tsy fahaiza-mitantana izany, toy ny tsy fisian’ny rafi-pitantanana […]

VAOVAO TAMBATRA

Manomboka ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-18, mampifandray an’i Vangaindrano sy Befotaka, faritra Atsimo Atsinanana. Mirefy 136 km ity lalana ity, ka anisan’ny asa hatao ny fanotofana sy fandravonana ny lalana, ny fandrarahana vatokely sy fametrahana « béton ». Eo koa ny fanamboarana ny sisin-dalana sy ny lakandrano. Nampahafantarina, omaly, ireo fepetra […]