“Tsy misitraka ireo tolotra fototra toy ny fanabeazana, fahasalamana na trano mendrika ny 70% maherin’ny Malagasy”, hoy ny Banky iraisam-pirenena tao amin’ny « Note de conjoncture économique de Madagascar”, navoakany ny talata teo. Sokajiany ho mahantra ny 70 % ny mponina eto Madagasikara, noho izy ireo mivelona latsaky ny 2,15 dolara […]
Toe-karena
Seranan’Ivato: Havaozina ny fikarakarana ny zotra anatiny
Mitohy ny fanavaozana ny fotodrafitrasa eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Ho vita amin’ny oktobra 2025 ny asa fanatsarana ny fikarakarana ny zotra anatiny sy ny fanitarana ny arabe fiantsonana. Vita ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato. Niaraka nitondra fanazavana ny tale jeneraly (DG) ny Ravinala Airports, Daniel Lefebvre, sy ny mpiara-miasa aminy. […]
VAOVAO TAMBATRA
Tratra ny kamiao iray mpanangona hazoala tsy ara-dalàna miisa 421, tany Ampitambe, kaominina Ambohibary, distrika Moramanga. Fitsirihana nataon’ny Sampandraharaha Ciref/CEF Moramanga no nahatrarana azy. Naiditra vonjimaika am-ponja ny tompon’ny hazo sy ny mpamily ilay kamiao ary nogiazana ny hazo sy ilay fiarabe. Mitohy ny fanarenana ny lalana tena ratsy amin’ny […]
Base Toliara : Zana-kazo 20 000 nambolena any Ranobe
Nanatanteraka ny fambolen-kazony ny orinasa Base Toliara ny 21 febroary teo. Natao tany Ranobe, kaominina Ankilimalinike, distrika Toliara II, izany, toerana hametrahana ny foibem-pitrandrahan’ny orinasa. Mitotaly 20 000 ny zana-kazo ka natsatoka tany Belalanda ny 2 000, tany anaty faritra Arovana (AP) Ranobe ny 18 000, nahitana karaza-kazo 21 amina velaran-tany 20 ha. […]
Toe-piainan’ny mponina : Hanomboka ny fanadihadiana
Hotanterahina amin’ity taona ity ny fanadihadiana maharitra eo anivon’ny tokantrano (EPM) andiany faha-11. Fanadihadiana ahafahana mandrefy ny fivoaran’ny toe-piainan’ny Malagasy manerana ny Nosy eo amin’ny sehatra samihafa izy ity. Ao anatin’izay ny firafitry ny mponina, ny fahantrana, ny fananana asa, ny fahasalamana, ny fampianarana, ny fisitrahana angovo, ny fivelomana, sns. […]




