Toe-karena

Banky iraisam-pirenena: hiantraika any amin’ny solika sy ny sakafo ny ady any Moyen Orient

Namoaka tatitra ny Banky iraisam-pirenena fa hiteraka krizy ara-toekarena goavana amin’ny lafiny sakafo sy ny angovo ny ady any Moyen Orient, ifanaovan’i Israely sy i Palestinina. Hanampy trotraka ny ady eo amin’i Rosia sy Ukraine ny ady eo amin’ny israeliana sy ny palestiniana. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Commodity Markets Outlook, […]

Madagascar Airlines : nametra-pialana tsy ho PCA Rakotomanga Rinah

Nametra-pialana tsy ho filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA) ny Madagascar Airlines, ny zoma teo, Rako­tomanga Rinah. Antony nahatonga izao ny fangatahan’ny filohan’ny filankevi-pitantanana teo aloha, Rakotondraibe Mamy, hiverina handray ny asany. Ny sabotsy teo, nivory teny amin’ny foiben’ny orinasa teny amin’ny Redland Tour Akorondrano, ny mpikambana miisa telo eo anivon’ny filankevi-pitantanana ka […]

Salon du chololat : nahaliana ny maro ny sokola malagasy

Maro mpanjifa ny sokolantsika ary nisy mpanafatra nifanaiky hividy sahady nandritra ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny sokola (salon international du chocolat, 2023), tany Paris Frantsa, ny 28 oktobra hatramin’ny 01 novambra teo. Nahaliana ny mpitsidika ny sokola vita eto Madagasikara. Afa-po ihany koa ny kaoperativa UCLS Ambanja sy ireo mpanondrana […]

Tsena iraisam-pirenena : hiverina eto amintsika ny AGOA

Samy miandrandra ny fanohizana ny AGOA hatramin’ny taona 2025 ireo firenena afrikanina mpisitraka ny tetikasa nandritra ny fivoriana iraisam-pirenena andiany faha-20, tany Johannesbourg. Nifarana ny sabotsy teo, ny andiany faha-20, ny “forum African growth and opportunity act (AGOA)” eo amin’i Etazonia sy ny tapany atsimon’i Afrika, izay natao tany Johannesbourg, […]

Vola : mitombo ny lelavola kirakiraina

Mahatratra 4 897,3 miliara Ar ny lelavola nokirakiraina teto Madagasikara, ny taona 2022. Tafakatra 8,8% ny taha raha oharina ny taona 2021 teo amin’ny fampiasana izany. Manodidina ny 4 501,7 miliara Ar ny lelavola nokirakiraina roa taona lasa izay, anisan’ny be mpampiasa tamin’izany ny vola 20 000Ar, araka ny tatitra navoakan’ny Banky foiben’i […]