Toe-karena

KFW -MNP : fanampiana ireo mponina manodidina ny faritra arovana

Natao omaly tao amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny sonia teo amin’ny banky alemaina KFW sy ny fanjakana malagasy, nosolo­in’ny minisiteran’ny Toekare­na sy vola ary ny MNP, eo am­bany fiahian’ny minisiter­an’ny Tontolo iainana. 12 tapitrisa euros, dingana faha-5 izao azo avy amin’ny banky KFW izao hanohanana sy hitantanana ireo faritra arovana (Madagascar […]

Tobin-drano Amoronakona : ho vita anio ny fanarenana ny simba

Simba ny paompy mampakatra rano eny Amo­ro­na­kona, nanomboka ny zoma 2 desambra teo. Tapaka, noho izany, ny famatsian-drano teny amin’ny faritra Ambo­himahitsy, Ankotsirano, Iki­anja, Ankadindambo, Ambo­himangakely, Ambohiman­ga­kely Manambina, Am­bo­vo­kely, Ambatomaro, Antso­bo­lo, Ankandrina, Ampatsy, Soamanadrariny, Ambohibe. Nohazavain’ny tale misahana ny rano ao amin’ny Jirama, Ramarosandratana Rija, oma­ly, nandritra ny fandalovan’ny minisitry […]

Fitantanana ny vola avy any ivelany: nahatratra 64,5% ny tahan’ny fandaniana ny famatsiam-bola azo

Tsy lany araka izay voasoritry ny sora-bola ny vola azon’ny fanjakana avy any amin’ny mpamatsy vola. Mila hahitsy sy hatsaraina ny fomba fitantanana ary hamafisina ny fifanakalozana antontam-baovao ho an’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka. Natao, omaly, ny atrikasa nampahafantarana ny tomban’ezaka sy ny fitakiana voarakitry ny fa­na­dihadiana mikasika ny tah­an’ny […]

Banky Iraisam-pirenena : hitohy ny fiaraha-miasa ho an’ny 5 taona manaraka

Ao anatin’ny fitsidihan-dRamatoa Victoria Kwakwa, filoha lefitry ny banky iraisam-pirenena ao amin’ny faritra Afrika Atsimo sy Atsinanana. Dia nihaona tamin-dRamatoa Rabariniri­na­rison Rindra Hasimbelo, Minisitry ny Toe-karena sy ny fitantanam-bola tetsy Alarobia, omaly 7 desambra ny filoha lefitra sy ny ekipany izay miasa eto Madaga­sikara. Ny fiaraha-miasantsika sy ny Bretton Woods […]

Harena an-kibon’ny tany: hanana Bam i Fenoari­vo Atsinanana

Ankoatra ny sehatry ny voly fanondrana, toy ny lavanila, ny jirofo, ny letisia, manana harena an-kibon’ny tany koa ny faritra Analan­jirofo. Mila fitantanana ma­homby anefa izany, amin’ny maha harena tsy azo havaozina azy. “Izay no antony nametrahana ny Biraon’ny fitantanan-draharahan’ ny harena an-kibon’ny tany (Bam) any Fenoarivo Atsi­na­nana”, hoy ny […]