Toe-karena

Rafidison Richard Theodore : “Tsy sakana amin’ny fampandrosoana ny haratsian-dalana”

Roa taona sy tapany izao no naha-governoran’ny faritra Atsinanana an-dRafidi­son Richard Theodore. Ami­ny, tsy sakana amin’ny fampandrosoana ny faritra ny haratsian-dalana, fa lasa hery hikarohana vahaolana ny hanatsarana azy ireny. Isan’izany ny famakian-dalana, mirefy 20 km tany Ampasimbe Onibe, distrika Toamasina II. «Mandeha indray izao ny fanarenana ny mampitohy an’i […]

Tetikasa Filamatra-kaominina Tsiafahy: nofanina hifehy ny famokarana biolojika ny tantsaha

Nanao hetsika manokana ny tompon’andraikitry ny tetikasa Filamatra, omaly sy anio, eny amin’ny kaominina Tsiafahy, distrika Atsimondrano. Nampahafantarina ny mombamomba ny tetikasa, ny fiovan’ny toetr’andro, ny fambolena biolojika… Nisy koa ny famelabelaran-kevitra samihafa. Nohazavain-dRazafin­drakoto Mamonjisoa, mpandrindra ny tetikasa Filamatra, tanterahin’ ny Faribolana fanadihadiana marolafy mikasika ny tontolo iainana sy ny […]

Mondial Qatar 2022 : fanomanana lafo indrindra : 220 miliara dolara

Tsiahivina fa betsaka ny fanomanana ara-toekarena tany Qatar nialoha ny fandraisana ny lalao eran-tany teo amin’ny baolina kitra 2022. Fanamboarana kianja, hotely fandraisam-bahiny, seranam-piaramanidina, fotodrafitrasa maro hafa. Nanomboka tamin’ny 2012 ny fanomanana fandraisana ny Amboara eran-tany farany teo, ka nandanian’ny fanjakana arabo any Qatar 220 miliara dolara izany tamin’ny fanamboarana […]

Atsimo Atsinanana …: simba ny seranan-tsambon’i Manakara

Sahirana ny mpandraharaha any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, Vatovavy sy Fitovinany. Simba ny seranan-tsambo iombonan’ireo faritra ireo, nefa raha ny tatitra nataon’ny mpandraharaha maro, dia misy vokatra fanondrana maro hita any, toy ny kafe, lavanila, jirofo, letisia, izay anisan’ny vokatra fanondrana sady fiveloman’ny olona maro. Tsy hahita seranan-tsambo, ohatra, hatramin’izao […]

Mpamongady sy mpaninjara ao Androy: Misoroka ny fiakaran’ny vidin’entana

Hisorohana ny fiakaran’ny vidin’entana sy hiatrehana ny maitso ahitra, nikaon-doha ireo mpamongady sy mpaninjara tao Androy, ny alahady teo. Nentanin’ny DRICC ao an-toerana ireto mpisehatra amin’ny famarotana ny entana ilain’ny mponina an-davanandro ireto mba hampitombo ny fanafarana entana. Tsy vitan’io, tokony hanangona tahiry mihoatra ny filan’ireo mpanjifa ao Androy koa […]