Toe-karena

Ady amin’ny andiam-balala : velaran-tany 31 600 ha voatondraka fanafody

Fotoana manomboka mam­pirongatra ny andiam-balala izao ! Fiaraha-mitantana no nataon’ny Ivontoerana fa­mongorana ny valala eto Ma­da­gasikara (IFVM), nanomboka volana novambra 2022. Miisa 200 ny andiam-balala novonoina, notondrahana fanafody, tamin’ny velaran-tany mi­refy 31 600 ha. Toerana tena nahitana andiam-balala ny any amin’ny tapany atsimo andrefana sy atsimon’ny Nosy, toy ny any Manja, Betioky, […]

Ranomasimbe Indiana : fiatrehana ny loto an-dranomasina

Mikarakara hetsika miaraka ny Foibem-paritra mpandrindra (RCOC) sy ny Foibem-paritra iombonan’ny sampandraharaham-baovao an-dranomasina (RMIFC), ahitana ny hery ara-tafika misahana ny fiarovana an-dranomasina any amin’ny ranomasimbe Indiana, tapany andrefana. Nanomboka ny taona 2018 ny nisiany, ary hisy ny fanazarantena manoloana ny fahalotoan’ny ranomasina, ny 25 hatramin’ny 27 jolay 2023 izao any […]

Jirama : Teratany vahiny no hanarina ny fitantanana

Manodidina ny 20 ireo nandrotsaka antontan-taratasy hitantana ny fanarenana ny Jirama. Taorian’ny dingana, masontsivana maro, roa sisa no hisafidianan’ny fanjakana malagasy, izay teratany vahiny daholo. Tsy mora ny fanarenana ! Mahatratra 1 400 miliara Ar ny fatiantoky ny Jira­ma. Araka ny toro-mariky ny Banky Iraisam-pirenena, tsy maintsy atao ny fiantsoana eto […]

Fifanakalozana ara-barotra : hiara-hiasa i Madagasikara sy i Kaomoro

Samy afa-po na ny mpandray anjara na ireo mpitsidika nandritra ny hetsika “salon international de l’artisanat”, natao tatsy amin’ny Nosy Kao­moro, ny 6 ka hatramin’ny 9 jolay teo. Anisan’ny nandray anjara i Ma­da­gasikara ka nahaliana ny te­ratany vahiny ny asa tanana ma­lagasy. Tapaka taorian’ny hetsika fa hisy fifanakalozana ara-barotra eo […]