Misehatra amin’ny fifandraisan-davitra sy ny fifanakalozam-bola amin’ny finday ny orinasa Airtel Africa, amin’ny firenena 14 eto Afrika. Misy ny fiaraha-miasany amin’ny mpanakanto sangany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena miisa telo, Fally Ipupa avy any Repoblika demokratika Congo (RDC), Diamond Platnumz (Tanzania) ary Simi (Nizeria), hampiroboroboana ny fampiasana fifandraisan-davitra niomerika, nanomboka ny […]
Toe-karena
Tetikasa “Volobe II”: Fanamboaran-dalana ataon’ny CGHV
Mandray anjara amin’ny Andraikitry ny orinasa amin’ny sosialy (RSE) ny tetikasa « Volobe II », ataon’ny orinasa CGHV, hanangana ny toby famokarana herinaratra 120 MW any an-toerana. Voasoritra ao anatin’ny bokin’andraikitry ny orinasa ny fanatanterahana izany, mba hisian’ny fampandrosoana eny amin’ny kaominina iasany. Horaisin’ny orinasa an-tanana ny fanamboarana ny ankamaroan’ny ampahan-dalana ratsy […]
Tsy ampy ny orana: Miverina indray ny delestazy eto Antananarivo
Tsy ampy ny famokarana herinaratra any Andekaleka. Maharitra ora telo ny delestazy isaky ny fahatapahan’ny jiro avy amin’ny orinasa Jirama, nanomboka omaly. Tsy naharitra ela! Andro vitsy monja no nirotsaka ny orana teto Antananarivo sy ny manodidina, nahafahana nampandeha amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra tao anatin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Mihantona […]
Fikambanana Miavotra: Famatsiana legioma 1 taonina isam-bolana
Niorina ny taona 2014 ny fikambanam-behivavy Miavotra any Ampitambe Moramanga. Nahazo fiofanana ara-teknika amin’ny fambolena legioma sy voankazo tamin’ny orinasa Ambatovy izy ireo, ary efa mahaleo tena ara-pitantanana. Ankehitriny, mahatratra 1 taona isam-bolana ny vokatra vatsian’ny fikambanana Miavotra ho an’ny orinasa Ambatovy, nanomboka ny taona 2023. Nilaza ny filohany, Razanamanana […]
Laharana maitso 261: Misokatra amin’ny fanararaotana vidin’entana
Azo antsoina ny laharana maitso 261, handraisana fanamarihana sy fitarainana momba ny fanararaotana amin’ny vidin’entana sy ny ahiahy momba ireo fitaovam-pandrefesana sy fandanjana. Voasokajy ao anatin’izay ny hosoka amin’ireo entam-barotra na trangana kolikoly mahakasika ny varotra. Ho tanana tsiambaratelo ny momba ny mpiantso. Ankoatra izay, laharam-pahamehan’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria […]




