Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Hampanofaina ho birao ny hotely Kintana 5 eny amin’ny CCI Ivato, na koa havadika ho toeram-pivarotana azo tsidihin’ny mpizahatany mandalo eto Madagasikara. Niaraka naorina tamin’ny efitrano fivoriana CCI Ivato ny hotely Kintana 5, saingy tsy nampidi-bola mihitsy. Nandaniana vola 15 tapitrisa dolara ny nananganana azy tamin’ny taona 2008, ahitana rihana […]

Fahavitantena ara-tsakafo: Fikaonandoha mahakasika ny fanodinam-bokatra

Hatao ny 23 sy ny 24 ja­noary ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato, ny fikaonandoham-pirenena mahakasika ny fanodinam-bokatra ara-pambolena. Handray anjara ao daholo ny mpisehatra voakasika rehetra, hidinika ny zavatra manan-danja, ny fanamby hapetraka ary ny vahaolana horaisina. Tanjona ny hampitomboana sy ny hisian’ny fiantraikany tsara amin’ny famokarana eto […]

Tsena iraisam-pirenena: Tsy voatery hiakatra ny vidin-tsolika

Nitondra fanazavana ny fitondram-panjakana, mahakasika ny fidinan’ny vidin-tsolika, ny sabotsy lasa teo. Hampifa­narahina hifanahantsahana amin’ny fiovaovan’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny eto amintsika, nanomboka ny sabotsy 19 janoary teo. Tsy voatery hiaka-bidy fa afaka hampidinina ihany koa. Maro ny lafiny toekarena jerena, satria mavesatra loatra amin’ny kitapombolam-panjakana ny famenoana […]

Base Toliara: Nitsodrano ny tetikasa ny olobe any Ranobe

Manaja ny fomba sy ny kolontsaina malagasy ny orinasa Base Toliara. Nankasitraka ary nitsodrano ny tetikasa ny olobe sy ny raiamandreny any an-toerana, satria tsapan’izy ireo fa hitondra fampandrosoana izany. Toerana hitrandrahan’ny tetikasa Base Toliara ny any Ranobe, ny fokontany Ranobe, kaominina Anki­­limalinika, disitrika Toliara II. Nisy ny famonoana omby, […]

Hita ny marimaritra iraisana: hidina ny vidin-tsolika eny anivon’ny mpanjifa

Nahita marimaritra iraisana ny fitondrana malagasy sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Hidina ny vidin-tsolika manomboka anio: lasa 5700 Ar ny lasantsy, 4760 Ar ny gazoala. Tsy araka ny fahita hatramin’izay! Rehefa hatao ny fandalinana rehetra, azo tanterahina tokoa ny mampidina ny vidin-tsolika, na eo aza ny fidangan’ny vidim-piainana. Hanamarinana izany, […]