Niroso tamin’ny fanagiazana ny kamiao, fananan’ny mpandraharaha iray any Antsinanangavo, Soanierana Ivongo ny vadintany, ny 8 aogositra teo. Antony, tsy notanterahiny ny didim-pitsarana mandidy azy handoa onitra mitotaly 76 tapitrisa Ar ho an’ny olona, tompona haino aman-jery tsy miankina iray any an-toerana. Toy izao ny fitsinjaran’io vola io. Onitra amin’ny […]
Toe-karena
Herinaratra : tratra ny tanjona, mamokatra 400 MW fanampiny ny Jirama
Namoaka ny tatitra sy ny antsipiriany mikasika ny herinaratry ny Jirama ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, omaly. Tratra ny fanambin’ny fanjakana nampitomboina avo roa heny ny famokarana, izany hoe 400 MW fanampiny. Manodidina ny 400 MW ny vokatra herinaratra eto Madagasikara. An’ny Jirama ny 396 MW ary avy […]
“Foara Voatse” Ambovombe: hisongadina ny vokatra any Androy
Hatao ny 4, ny 5, ny 6 ary ny 7 oktobra 2023 ho avy izao ny tsenabem-paritra “Foara Voatse” any Ambovombe Androy. Nilaza ny governoran’ny faritra Androy, Soja Lahimaro Tsimandilatse, fa hampisongadinana ny vokatra any amin’iny faritra iny ity tsenabe ity. Toy ny fambolena (katsaka, voanjo,…), ny omby sy ny ondry aman’osy, […]
Ambatovy: tantsaha miisa 2 100 nahazo fanampiana
Ao anatin’ny fomba fiasan’ny orinasa Ambatovy ny manampy ireo tantsaha entina hampiroborobona ny seha-piahariany. Tantsaha 2 100 ireo efa nahazo fanampiana avy amin’ity orinasa goavana ity eo amin’ny faritra iasany.Tsy latsa-danja amin’izany ireo nahazo tohana tamin’ny fandraisana anjara tamin’ny tsenaben’ny «FIER-Mada 2023 ». Miisa 15 ny fikambanana tantsaha avy ao amin’ny distrikan’i Moramanga sy […]
« Salon de la créativité Voatra »: Manandratra ny vokatra vita malagasy
Hetsika ara-barotra, ara-toekarena, ara-pamoronana. Toy ny fanao isan-taona nanomboka ny taona 2013, hotontosaina ny 25 ka hatramin’ny 28 oktobra izao, eny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny hetsika « salon de la créativité Voatra » andiany faha 10. Tanjona ny fanohanana ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME) eto amin’ny faritra Analamanga sy manerana […]