Toe-karena

Fadintseranana: hampiasa ny haitao ara-kajy mirindra

Tafiditra ao anatin’ny fanavaozana ataon’ny fadintseranana malagasy ny fampiasana ny nomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra amin’ny  fikirakirana antontan-taratasy rehetra. Atao hanafainganana ny asa sy hisorohana ny hosoka ary hampiroborobo ny fidiram-bolam-panjakana izany. Singa iray ao anatin’izay ny tsy fampiasana taratasy amin’ny filazana mombamomba ny fiara nafarana avy any ivelany […]

Fananan-tany sy trano: manodidina ny 1 400 000 ny mpandoa hetra manerana ny Nosy

Mbola ambany ny taham-pahavitrihan’ny fandoavan-ketra amin’ny fananan-tany sy trano eto Madagasikara. Loharanom-bola ho an’ny kaominina ny vola azo avy amin’ny hetra entina handraofana ny fako sy hananganana fotodrafitrasa eny amin’ny fokontany samihafa. Ny taona 2022, manodidina ny 1 475 000 ny isan’ny mpandoa hetra manerana ny Nosy. Tamberin’andraikitra ataon’ny kaominina ho […]

Harena an-dranomasin’i Madagasikara: mitentina hatrany amin’ny 300 tapitrisa dolara.

Anisan’ny miantoka ny fampandrosoana ny firenena ny fahaiza-mitantana sy mandrindra ny harena an-dranomasina, mamaly ny filan’ny mponina mipetraka amorontsiraka. Toekarena manga miantoka ny fandrosoana maharitra ny velaran-dranomasina midadasika. Tombony ho an’ny firenena malagasy ny fananany velaran-dranomasina midadasika. Harena azo trandrahina ho an’ny fampandrosoana ny toekaren’i Madagasikara izany. Tombanana ho 300 […]

Tontolo iainana: velaran-tany 62ha hambolena zanakazo 45 000

Hiara-hiasa ny BNI Madagascar sy ny tahirim-bola tsy miankina malagasy natokana ho an’ny fikolokoloana ny zava-mananaina eto Madagasikara (FAPBM) amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny ala ao  amin’ny faritra arovana ao Maromizaha, faritra Alaotra Mangoro, toerana izay tantanin’ny Vondron’asa sy fikarohana momba ny varika (GERP Madagascar). Nifanao sonia momba ny taratasy […]

Ambatovy : manohana ny tanora mpandraharaha

Anisan’ny manome tohana sy manampy ny tanora malagasy mpandraharaha ny orinasa Ambatovy. Misy ny fandaharanasa ataony entina hanampiana ny mpandraharaha ka nisy tamin’izy ireo no nandray anjara tamin’ny hetsika « FIER Mada 2023” farany teo. «Niroborobo tokoa ny orinasako hatramin’izay nisitrahako ny fandaharanasa fa­nampiana orinasa nomen’ Amba­tovy sy La Fabrique ahy […]