Mihamafy orina ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i China. Tombony ho an’ny mpandraharaha mpanondram-bokatra toy ny lavanila izany. Tsy handoa haban-tseranana hatramin’ny 98% ireo vokatra malagasy haondrana any China. Nisy ny fifanaovan-tsonia nataon’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Yvette Sylla, sy ny masoivohon’ity firenena ity, Guo Xiomei, tetsy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, […]
Toe-karena
« Foire internationale de l’agriculture » : hametraka birao tokan’ny fandraharahana ara-pambolena
Hampivondrona ireo mpiantsehatra samihafa ao anatin’ny tontolon’ny famokarana amina toerana iray ny hetsika “Foire internationale de l’agriculture”. Omena lanja manokana ny tantsaha ahafahany mampiroborobo ny vokatra ataony sy ny fiaraha-miasany amin’ny sehatra tsy miankina. Ambohipihaonan’ny fampandrosoana ny asa famokarana ny hetsika “Foire internationale de l’agriculture” (FIA) andiany fahadimy. Hanome vahana […]
Tsy mitsaha-misonga: tafakatra 3 100 ny kilaon’ny vary gasy
Mipaka amin’isan-tokantrano ny fiakaran’ny vidin-entana eny an-tsena indrindra amin’ireo filana andavanandro. Ho sarotra ny fitantanam-bola amin’izao fidiran’ny mpianatra izao sy amin’ny fotoan’ny maitsoahitra. Mampikaikaika ny maro ny vidim-bary amin’izao. Tao anatin’ny fotoana vitsy, tsy mitsaha-misondrotra ny vidin’ny vary gasy, ny “stock” ary ny “riz de luxe”. Ankehitriny, mahatratra hatramin’ny 3 […]
Fitantanana raharaham-panjakana: 105 mianadahy nivoaka teny amin’ny Enam
Niampy isa ny mpiasam-panjakana ambony. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, ny zoma 1 septambra teo, ny nisalotra ny anarana hoe “Mahitsi”, tao amin’ny Sekolim-pirenena manofana mpitantana raharaham-panjakana eto Madagasikara (Enam). Miisa 105 izy ireo, niofana nandritra ny roa taona (2021-2023), tamin’ny sampam-pianarana, fitantanana ny fizaram-paritra (administration territoriale), ny fitantanana raharaham-bahoaka (gestion […]
Ravinala Airports: toeram-pisakafoana « Mon Tana » eny Ivato
Nisokatra ny 22 aogositra teo ny trano fisakafoana vaovao « Mon Tana », ao anatin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Mitantana azy ny orinasa TAV Opération Service, tamin’ny alalan’ny antso tolobidy iraisam-pirenena. Tanteraka izany, vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny orinasa Ravinala Airports, mitantana ny seranan’Ivato.Nilaza ny filoha tale jeneraly (PDG) ny TAV Operation Service, Güçlü […]