Toe-karena

Madagascar Airlines : Miampy iray ny fiaramanidina ATR72-500

Nigadona teto Mada­ga­sikara, ny sabotsy tokony ho tamin’ny 10 ora sy 25 alina, ny fiaramanidina ATR72-500 an’ny Madagascar Airlines amin’ny lokon’ny kaompania. Hanatevina ny isan’ireo fiaramanidina miisa dimy ampiasain’ny kaompaniam-pitaterana malagasy izy io. “Dingana lehibe ao anatin’ny tantaran’ny kampania ny fahazoana ity fiaramanidina vaovao ity ary tafiditra indrindra ao anatin’ny […]

Bazar de Noël: Azo vidiana amin’ny Airtel money ny entana

Mpanohana mivantana ny foara « Bazar de Noël » atao etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena, ny 20 hatramin’ny 24 desambra izao, ny orinasa Airtel Madagasikara, karakarain’ny orinasa NComm Agency. Miavaka ity hetsika ity satria misy ny paikady noraisina amin’ ny fomba fanjifana. Ankoatra ny fandoavana lelavola, azo atao ny mividy ny entana na […]

Fandraharahana ara-bola : Tafatsangana ny paikady hanatsarana ny toekarena

Hifantoka betsaka amin’ny fanabeazana ara-bola sy ny fiarovana ny mpanjifa. Hanatsara ny fidirana sy ny fampiasana ny tolotra ara-bola mifanaraka amin’ny filana. Eo koa ny fanitarana ny tolotra sy ny vokatra ara-bola niomerika ary ny tontolo ara-pitantanana sy ny ara-dalàna. Ireo ny mandrafitra ny paikady nasionaly ho an’ny fandraharahana ara-bola […]

VAOVAO TAMBATRA

Tombanana ho vita mialoha ny vanim-potoan’ny maintany amin’ny taona 2025 ireo tetikasa fanatsarana ny famatsiana rano eto Antananarivo. Tafiditra ao anatin’izany ny tetikasa PAAEP sy ny Jirama Water 3. Dingana hametrahana ireo fotodrafitrasa hamahana ny olan’ny famatsian-drano eto an-dRenivohitra. Tanterahana any Toliara, ny 17 hatramin’ny 19 avrily 2025, ny Fihaonamben’ny […]

Base Toliara: Hisarika mpampiasa vola hafa ny tetikasa

Natao tao an-tampon-tanànan’i Toliara indray ny hetsika fampahafantarana ampahibemaso ny fisokafan’ ny Ba­se Toliara, ny alarobia 18 desambra teo, taorian’ny tany amin’ny kaominina Anki­lima­linike. Nohamafisin’ny ta­len’ny Serasera sy ny fifandraisana amin’ny rafi-panjakana, Maha­faritsy Samuel, fa tohizana ao anatin’ny 14 volana ny asa sosialy, ny fanonerana ara-bola ny tompon-tany sy fasana […]